PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHAM-PIRENENA: “Fifidianana ihany”, hoy ny SADC
Tsy nampoizin’ireo Kandidà 10 sy ireo mpanara-dia azy ireo indray ny fanambarana nataon’ny SADC, ny datin’ny 04 Novambra 2023 teo, izay nanamafy fa manohana ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara izy ireo, ary handefa iraka mpanara-maso fifidianana eto amintsika. Azo antoka fa diso fanantenana indray Ravalomanana sy ekipany nanantena fatratra ny fianakaviambe iraisampirenena tsy hankatoa ny firosoana amin’ny fifidianana.
“Fifidianana ihany”, io no azo andravonana ny fampitam-baovaon’ny SADC taorian’ny Fivoriambe tsy ara-potoanan’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny Governemanta eo anivon’ity Vondrona aty Afrika ity. Isan’ny nivoitra tao anatin’izany mantsy ny firariana fitoniana sy fahombiazana ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo izay samy hiatrika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika amin’ity Novambra sy Desambra 2023 ity. Nanamafy ny SADC fa hanohana ireo zotram-pifidianana ireo, ary handefa iraka mpanara-maso ny fifidianana amin’ireo firenena ireo.
Valin-kafatra goavana ho an’ireo Kandidà 10 nanantena fanelanelanana avy amin’ny SADC, araka izany, ity fanapahan-kevitra ity. “Atoa isany Marc Ravalomanana sy Paraina Auguste dia niandrandra fatratra izao SADC izao mihitsy, kanjo mazava be ny valin-kafatra, fifidianana ihany hoy ny SADC ary manohana izany fifidianana izany izy ireo. Iraka hanara-maso ny fifidianana no tonga eto Madagasikara, ary ny Fanjakana Malagasy mihitsy no nangataka azy fa tsy araka ny novoizina hoe iraka hanao fanelanelanana ary naely ny tsaho fa hoe tsy avelan’ny Fanjakana malagasy ampidirina hono. Ny marina io hoy aho mipoitra foana na totofana lainga toy inona aza”, hoy indrindra ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy, raha naneho ny heviny.
Hikiry ho eny amin’ny 13 Mey
“Dia ho lany andro eo ny K10 hamorona korontana sy hiezaka hamaky ny 13 mai hoe hanao fanonganam-panjakana eo, satria izay mba nandrandraina aza efa mamaly mazava fa tsy mahalala afatsy fifidianana”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ity Minisitra teo aloha ity. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia mbola hisisika ho eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey hatrany ireo Kandidà miisa 10 amin’ity anio ity, rehefa nandamoaka ilay tetika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana nokasaina tamin’ny sabotsy teo.
Ny Fanoratana.




