PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA TAO ANTSIRABE : Nifanao velirano indray hanohy ny fampandrosoana miaraka amin’ny vahoaka
Tao amin’ny Kianja Manarapenitra Velodrome Antsirabe no nandraisana ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina, omaly tolakandro. Feno hipoka ny kianja ary misy ny tsy tafiditra nihaino kabary tany ivelany. Nifanao velirano indray tamin’ny vahoakan’Antsirabe, ny amin’ny fanohizana ireo fampandrosoana efa natomboka…
Tamin’ny alalan’ny tsodrano notononin’ny solontenan’ny ray aman-dreny eto Vakinankaratra no nanokafana ny fotoana ary nandritra izany ny fanolorana ny tehina ho mariky ny fiandrianana sy fanolorana fahefana feno ho an »ny Vahoaka eto Vakinankaratra. » Gasy ianao ary Malagasy teraka teto. Tsofinay rano ianao ho lany. Ka na izaho antitra ity aza, mba te hahita ny fitohizan’ny fitantananao « , hoy ilay Raiamandrenibe nanome tsodrano.
Nirotsaka ny orana taorian’izay.
Na orambe aza no nisy nandritra ny kabarin’ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina, tsy niala ny vahoaka. Nikabary tao anaty orana ihany koa ny kandida Andry Rajoelina ary tsy nampiasa elo. » Betsaka ny fampielezan-kevitra nalehako fa hafa mihitsy ny eto Antsirabe. Mitombo ny fitiavan’Antsirabe ahy. Tsodrano ho antsika io », hoy izy. Nampatsiahivin’ny kandidà laharana fahatelo fa manana ny mampiavaka azy manokana Antsirabe. Teto no nalatsahan’ny tavoniko. » Tsy tany Kaomoro, tsy tany France fa teto no nalatsahan’ny tavoniko. Hamafisiko eto fa tsy manakana ahy tsy hampandroso an’i Madagasikara ny fanaratsiana hatao ahy », hoy izy. Valiantsika fitiavana ny fankahalana ary izay fitiavana izay no manosika antsika hiasa sy hampandroso. Nisy ny asa maika ho an’Antsirabe hatao avy hatrany dia ny fanamboarana ny lalana eo Ambohimena. Efa ao ny orinasa Colas hanamboatra izany. Hisitraka ilay jiro « Kits solaire » maimaimpoana ihany koa ny tokantrano tsy manana jiron’ny Jirama ao Antsirabe I sy Antsirabe II. Nasehon’ny kandidà Andry Rajoelina tamin’io omaly io, ny « kits solaire » io ary nisy ampahany tamin’ireo mpanatrika teo nahazo izany.
Nahazo fotodrafitrasa maro…
Tsiahivina fa nahazo fotodrafitrasa maro avy amin’i Andry Rajoelina Antsirabe. Nahazo sekoly CEG goavana, indrindra mahazaka mpianatra 1 200 isa eny Mahazoarivo, ankoatra ny kianja manara-penitra goavana eo amin’ny Velodrome nanaovana diabe omaly. Teo koa ny fahazoana Oniversite lehibe afaka mandray mpianatra maro, izay tsy maintsy hovitaina haingana na nisy naniry mafy ny tsy hahavitan’izany aza. Nifanao velirano tamin’ny vahoakan’Antsirabe, araka izany, ny kandidà laharana fahatelo : » Atsangano ny tanan’izay hanao velirano miaraka amiko hanova ny tantara sy hanohy ny fampandrosoana ka hifidy ny laharana fahatelo, amin’ny 16 novambra ho hitan’ny Zanahary ». Niara-nanangan-tanana ny vahoaka ary nanao ny marika telo tamin’ny tanana.
»Hitako fa vao mainka mitombo ianareo no tia ahy ary izaho koa dia vonona ny hanampy anareo. Vao maika mamporisika ahy handeha lavitra kokoa izao fanohananareo ahy izao », hoy ihany Andry Rajoelina. Toerana nahalatsahan’ny tavoniny rahateo Antsirabe, ary mbola nanaovany velirano hatrany ny fanasoavana ity tanàna ity. Eo ihany koa ny fanohizana ny lalana ao Ambatomena. Ny fanomezana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ny fanampiana ireo tanora hihary eo amin’ny fandraharahana amin’ny alalan’ny tetikasa fihariana. »Tsy Malagasy fotsiny aho fa tia tanindrazana ary tsy mbola nisy Filoha nanakaiky vahoaka teto Madagasikara, raha tsy izaho », hoy ihany ny kandida laharana fahatelo.Nanome toky koa izy fa ampitomboana avo roa heny ireo fanampiana ny sahirana ho an’ny dimy taona manaraka hitondrany an’i Madagasikara.
Maro ny zava-bita…
“Betsaka ny zava-bitany, teto Antsirabe raha tsy hilaza ihany isika ny “EPP” manarapenitra, hopitaly ary ao koa ny kianja. Ho asakasak’izay tsy hifidy azy fa izy dia tanora mahavita azy. Tena “possible” lany izy na inona na inona ho ataon’ny olona azy”: hoy Ratina mpamily taksibrosy.
“Ny tena hanohanako azy dia betsaka ny fampandrosoana vitany teto, hiaraha-mahita io kianja manaram-penitra io. Ho an’ny distrikan’i Mandoto dia misy koa ny hopitaly, Tranompokonolona, izay manarapenitra avokoa. Misy ny rano fisotro madio sy ny jiro ihany koa ary tsy menatra anay izany ka ankasitrahanay i Prezidà Rajoelina. Izahay dia mila mifidy azy. Ny vahoaka no tompon’Antsirabe fa tsy kandidà hafa ary ho porofoin’Antsirabe faritra Vakinankaratra fa Andry Rajoelina no hofidian’ny olona. Izahay tonga eto dia tsy nokaramaina fa finiavana ary rehefa tiana ny olona iray dia mahery fo ny vahoaka. Andeha isika hifidy ary olona manao zavatra toy izao no mendrika hofidiana eto amin’ity Madagasikara ity”, hoy kosa Fetra, raim-pianakaviana iray izay manohana ny kandidà laharana fahatelo.
“Manohana azy amin’ny fo manontolo izahay. Be dia be ny nataony ary eto an-tanindrazany izy eto. Mahatsapa izahay fa mitondra fampandrosoana izy. Tsy resaka harena no tadiaviny fa fitiavan-tanindrazana. Malahelo izahay raha tsy lany izy satria izahay dia anisany nahazo vatsy tsinjo, ary raha Filoha hafa no teo tamin’ny covid iny dia ahoana no hoavin’i Madagasikara », hoy kosa ilay renim-pianakaviana Nirina Mpivarotra ao amin’ny tsena Sabotsy.
Rado Harivelo



