
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHAM-PIRENENA: Misisika mafy amin’ny tetezamita Razanamahasoa Christine sy ny tariny
Efa tena mandray ny toeran’ny Lehiben’ny Tetezamita mihitsy Ramatoa Razanamahasoa Christine ankehitriny amin’ny fihetsika ataony, izay mitono-tena ho mpanelanelana manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. Omaly, vitany ny nanao fanambarana, niaraka tamin’ny FFKM, nampiato ny zotram-pifidianana, fa hiroso indray amin’ny fifampidinihana handehanana mankany amin’ny tetezamita. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny hery hanatanterahin’izy ireo ity fanambarana ity ?
Namoaka fanambarana omaly hariva ny voalaza fa vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana, tarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, sy ny Filohan’ny FJKM avy amin’ny FFKM, ary ireo heverina ho Raiamandreny isan-tsokajiny. Nambaran’izy ireo fa tsy mbola tomombana ny fepetra rehetra amin’ny fikarakarana ny fifidianana madio, mangarahara, milamina ary andraisan’ny rehetra anjara. Miantso fifanakalozan-kevitra sy dinika eo amin’ny mpiantsehatra rehetra izy, ary tokony hahantona aloha ny zotram-pifidianana ka hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana sy fitsirihana ny lisitry ny mpifidy. Miantso ny fampiatoana ny fampielezan-kevitra sy ny fidinana an-dalambe izy ireo manomboka izao mba hahafahana midinika. Ary miantso ny mpitandro filaminana handray ny fepetra ara-dalàna ho amin’ny filaminana sy hanao ny asany am-pamendrehana.
Gaga sy talanjona ny mpanara-baovao nahita ity fanambarana ity. Amin’izao fito andro mialohan’ny fifidianana izao ve vao hiroso amin’ny fifampidinihina indray? Voalohany aloha Ramatoa Razanamahasoa Christine mitonon-tena ho mpanelanelana dia efa mampametra-panontaniana, hoe fahefana avy aiza? Tsy voafaritry ny lalàna mantsy izany. Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filohan’ny Antoko Freedom omaly dia nilaza mihitsy fa fakana ny toeran’ny Lehiben’ny Tetezamita mihitsy no ataon-dRazanamahasoa Christine. Ary tsy mitombina mihitsy ny dingana ataony. “Tsy misy tsy mahalala fa andriamatoa Andry Rajoelina no natoky azy ka nahatonga azy ho Depiote sy ho Filohana Andrimpanjakana. Ankehitriny, Razanamahasoa Christine indray no hampiantso an’i Andry Rajoelina, izay Kandidà Filoham-pirenena fa hoe hidinika. Fahefana avy aiza no hanaovany izany? “, hoy ny fanehoan-keviny.Nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa maro ireo zavatra tsy mitombina amin’io dingana ataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena io, raha tsy hilaza afatsy ny fampiasana ny sary famantaran’ny Repoblikan’i Madagasikara aza, kanefa Filoham-piangonana ao amin’ny FFKM no manao Sonia. Eo koa ny tsy fisian’ny “force exécutoire” na ny hery hanatanterahana an’izay zavatra tapaka tao anatin’ny fifampidinihina. Ary tsara ho tsindriana koa fa ny Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia tsy miara-dia amin-dRazanamahasoa Christine amin’io dingana io.
Ny Fanoratana.




