PolitikaSongadim-baovao

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA : « Avelao haneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka »

Misy ireo minia mampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’izao fotoana izao mahakasika ny hoe firosoana amin’ny fifidianana na tsia. Mazava ny voalazan’ireo Didy aman-dalàna rehetra efa noraisina, fa ny 16 novambra izao no ho atao ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny, araka izany, dia naneho ny heviny ny avy amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara. “Aoka holazaina mazava fa amin’ny maha tany  demokratika sy tany tan-dalàna ny firenentsika dia ny vahoaka no lohalaharana. Ny Vahoaka maneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara no miantoka izany”, hoy ny fanambarany. “Koa manao antso avo aminareo mpanao politika sy tomponandraikitra rehetra, indrindra ireo mitantana ny firenena amin’izao fotoana izao, ary ianareo mpilatsaka hofidiana izahay: omeo ny anjara masoandrony ny vahoaka, araka ny zo sy adidy tandrify azy. Avelao haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny an-kalalahana sy araka ny lalàna velona, amin’ny alalan’ny fifidianana, ny vahoaka. Raha tena fitiavan-tanindrazana no ao aminareo dia ho hainareo ny mampandefitra ny hambompo sy ny tombontsoa manokana. Ianareo no aoka hanara-dalàna voalohany, ho mendrika alain-tahaka”, hoy hatrany ny fanambarana.

Niaiky ny teo anivon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara fa misy ny lesoka amin’ny fiatrehantsika fifidianana. Tsy afaka hiandry fahalavorariana anefa isika vao hanao izany, satria sarobidy ny fiandrianam-pirenena ka tokony hahasaro-piaro antsika, araka ny fanazavan’izy ireo. Notsindriana tao anatin’ny fanambarana fa tsy anjaran’ny Eglizy ny mampihemotra na mampandroso ny datim-pifidianana. Misy tompon’andraikitra mahefa amin’izany, hoy ny fanambarana.

Lalàna sy soatoavina tokony hohajaina

Vantany vao nivoaka io fampitam-baovaon’ny Fivondronamben’ny Eveka io dia samy nandrirotra tamin’izay nandroritany azy ireo mpisehatra politika isan-tsokajiny. Ny zavatra tsy takon’afenina fotsiny aloha ao anatin’ity fanambarana ity, dia tsy miombon-kevitra amin’ireo antokon’olona manakana ny zotram-pifidianana ny eglizy katolika, fa mampirisika kosa ny hirosoana amin’ny fifidianana. Mbola nanisy resaka ny tokony hanajan’ny mpanao politika ny lalàna sy ireo soatoavina samihafa voaresaka matetika ireny ihany koa izy ireo. Notsindrian’izy ireo mantsy fa fandre matetika amin’ny mpanao politika, indrindra ireo mpilatsaka hofidiana miaraka amin’ireo mpomba azy ny teny hoe : Vahoaka, fihavanana, soa iombonana, tany tan-dalàna, demokrasia, fampandrosoana, fitiavan-tanindrazana, fiandrianam-pirenena, sy ny sisa. Filamatra sy soatoavina ambony tokoa ireo, hoy ny fanambarana, ary miantoka ny fandrosoan’i Madagasikara. “Mampametra-panontaniana ihany anefa hoe: tena ao am-ponareo marina ve ny hasarobidin’ireo teny soa ireo rehefa mahita ny ataonareo sy ny itarihanareo ny olona. Nahoana no tonga amin’izao manjo azy izao ny firenentsika nefa izay  milaza te hampandroso azy dia samy manindrahindra ireo Soatoavina ireo? Raha samy mampifanaraka izay lazainy amin’ny ataony isika dia tsy ho toy izao ny firenentsika!”, hoy ny fanambarana.

Fermer