PolitikaSongadim-baovao

FARADOBOKY NY KANDIDA LAHARANA FAHA-3: Tsy miala amin’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo maro an’isa

Nasehon’Antananarivo tamin’ny Kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly folakandro, fa mirona any aminy ny maro an’isa. Nisaoran’ny kandidà Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo. Nentaniny manokana ny vahoaka,  mba hifidy sy hanoratra tantara amin’ny faha 16 novambra ho avy izao. Madagasikara tsy maintsy mandroso ary ny Malagasy tsy maintsy mandresy…

Nasehon’Antananarivo tamin’ny Kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly folakandro, fa  aty amin’izy ireo ny maro an’isa. Nisaoran’ny kandidà Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo. Notsiahiviny ny 5 taona lasa nanaovana fampielezan-kevitra teo. Nambarany fa marobe ny vahoaka malagasy resy lahatra tamin’ny vina izay napetraky ny kandidà Andry Rajoelina, fa indrindra indrindra ireo izay mankato ny asa rehetra natao manerana ny Nosy, indrindra ny eto Antananrivo.  » Izay fotodrafitrasa natsangana dia mbola iarahako amin’ny vahoakan’Antananarivo. Isan’izany ny Coliseum, izay toerana be vovoka be ka tsy mendrika ny vahoaka », hoy izy. Nasongadiny fa kandidà 11 no nitambatra nameno ity toerana ity, saingy tsy nanaraka ny vahoaka fa kandidà iray dia nahafeno azy. Tsy eken’ny vahoakan’Antananarivo sy ny vahoaka malagasy intsony ny fanakorontanana. « Fantatry ny vahoaka malagasy ny teti-dratsy tadiavin’izy ireo dia ny tsy hanao fifidianana fa mikendry hanao tetezamita. Isika tsy mihemotra fa mandroso ary tsy mila krizy intsony ny vahoaka malagasy », hoy ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Voarain’i Andry Rajoelina fa mihamitombo ny olona mahatsapa fa tia tanindrazana ny kandidà laharana fahatelo ary mila tohanana sy mila ampiana.

Fanamby napetraka…

« Isaka ny milatsa-kofidina dia lany. Tamin’ny ben’ny Tanàna dia nirotsaka ary lany. Dia teo indray ny nirotsahana ho filoham-pirenena ny taona 2018 ka lany. Ary mbola hirotsaka amin’ny 16 novambra 2023 ary mbola ho lany », hoy izy.  Nasongadiny fa vonona hiaro ary hanampy ny vahoaka madinika izy. Tsy misy ambony sy ambany ny olona miaraka amin’ny kandidà Andry Rajoelina, indrindra ireo tia fandrosoana. Vonona ny hanohana ireo sahirana, marefo, indrindra ireo tokantrano mbola mampiasa jiro labozia sy petrole ka hozaraina « kits solaire » avokoa manomboka amin’ny herinandro.

Tsy niolaka kandidà Andry Rajoelina nilaza fa tsy misy hahasakana ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny ny filazan’ny sasany azy hoe Vazaha. Nambarany fa na hazakazaka na fifidianana, efa eo amin’ny fiaingana ka tsy mijanona raha tsy any amin’ny farany, na iza mandeha na iza tsy mandeha. Vonona ny vahoakan’Antananarivo hanoratra tantara amin’ny fifidianana. Nanentana manokana ny vahoaka ny kandidà laharana fahatelo. ny mba hifidy amin’ny 16 novambra hoavy izao.

Anisany hojereny manokana ny tanora, ny vehivavy, amin’ny resaka fampiofanana, hahafahany manatsara ny faripiainany. Notanisain’ny kandidà Andry Rajoelina ireo zava-bita maro, toy ny fanamboarana ny Kianja Barea, ny fanamboaran-dalana, sy ny maro hafa. « Hifanome  tanana isika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy mila krizy intsony ny vahoaka malagasy ary isika dia hijoro mandra-pahavotra an’ity Madagasikara ity », araka ny fanazavan’ny kandidà Andry Rajoelina hatrany.

Pierre M.

Fermer