PolitikaSongadim-baovao

MPANARAMASON’NY CEMAC: Miantso ny Malagasy rehetra ho tonga maro handatsa-bato

Miantso ny Malagasy rehetra ho tonga maro handatsa-bato ny Mpanaramason’ny CEMAC (communauté économnique et monétaire de l’Afrique Centrale), tamin’ny alalan’i Cyrille Nguiegang. « Any anatin’ny fifidianana ny demokrasia fa tsy eny an-dalambe » hoy ny lehiben’ny delegasion’ny mpanaramaso omaly. Miantso ireo kandidà hafa koa izy, mba ho tonga saina. Ankoatra izay, tsy fahefan’ny SADC mihitsy ny mampihemotra na manafoana ny fifidianana. Hanaramaso ny fifidianana no anton-dian’ireo iraka eto Madagasikara fa tsy hanao fanelanelanana. Na maneho ny ahiahiny amin’ny fisian’ny savorovoro politika aza ny Vondrona Eoropeanina dia tsy miresaka fanemorana fifidianana mihitsy, mbola mitazona fa « andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana fihodinana voalohany » isika izao. Tsy misy afa-tsy fifidianana ihany amin’ny alakamisy 16 novambra 2013 izao no lalan-tokana. Mila mailo ny Malagasy rehetra fa rehefa tapi-dalan-kaleha ny mpanakorontana matahotra fifidianana dia any amin’ny androm-pifidianana izy ireo no hitsivalam-pandry. Mino ny fahendren’ny vahoaka malagasy ny rehetra. Ankaherezina hatrany ny mpitandro filaminana, hanao ny ainy tsy ho zavatra hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hiantoka ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Fermer