PolitikaSongadim-baovao

FANOHINTOHINANA NY FIFIDIANANA: Fandikan-dalàna ny fanakanana ny olom-pirenena tsy hifidy

Rahampitso 16 Novambra ny fifidianana. Anio kosa no andro fahanginana fifidianana, izany hoe tsy natao hanaovana fampielezan-kevitra sy fihetsiketsehana ara-politika samihafa intsony, nanomboka omaly misasakalina. Nanome toromarika araka ny lalàna ny eo anivon’ny EMMO-NAT, ary nampitandrina fa hisambotra izay rehetra minia mandika lalàna…

Hiatrika ny fotoam-pifidianana ny vahoaka malagasy, manomboka rahampitso alakamisy. Mitondra fanazavana momba ny fiatrehana fifidianana sy ny lalàna mifehy azy ny Tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. Nambarany fa ny fanohintohinan’ny fahamarinan’ny latsa-bato, na ny fikatsahana ny famoahana ny tsiambaratelon’ny latsa-bato, isakanana na anakanana ny fifidianana, na ao anatiny na ivelan’ny biraom-pifidianana, dia mahavoasazy herintaona ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina. Miampy fandoavana lamandy 6 hetsy Ariary ka hatramin’ny 6 tapitrisa Ar. Ny fanerena na fanararaotam-pahefana narahin-kerisetra na tsia, mba hoentina hanodinana na handravana ny safidin’ny olom-pirenena mpifidy iray dia mahavoasazy 5 taona ka hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana lamandy 2 tapitrisa Ar ka hatramin’ny 20 tapitrisa Ar, ankoatra ireo sazy hafa. Ny fanakanana olom-pirenena iray, tsy ampiasa ny zony,  amin’ny alalan’ny tabataba, fanerena na fandrahonana kosa, dia mahavoasazy enim-bolana ka hatramin’ny 2 taona an-tranomaizina, amin’ny alalan’ny fitangoronana sy tabataba. Nomarihiny fa ny fampiharana ireo lalàna velona ireo dia tsy manakana ny fampiharana ny lalàna hafa misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Ny Fampanoavana, araka izany, no tompon’ny fanenjehana. fa afaka mampaka-draharaha momba izany ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana ary ny tomponandraiki-panjakana rehetra. Azo enjehina amin’ny andinin-dalana voaraikitra ireo izay minia manakorontana.

Hanamafy ny filaminana ny EMMO-NAT

Nanomboka omaly misasakalina ny fahanginana fifidianana araka izay voalazan’ny lalàna. Tsy azo atao, araka izany ny fampielezan-kevitra sy ny fihetsiketsehana ara-politika isan-karazany. Namafisin’ny teo anivon’ny EMMO-NAT izay ahitana ny Polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, ary ny Tafika, fa voarara tanteraka ny fihetsiketsehana rehetra manerana an’Antananarivo sy Analamanga ary manerana an’i Madagasikara. Hiroso amin’ny fisamborana ho an’ireo minia mandika lalàna araka izany, izy ireo, raha misy fandikan-dalàna hita. Nisy koa fanapahana noraisin’ny Prefektioran’Analamanga fa tsy azo atao ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola mandritra ny andron’ny fifidianana. Namafisin’ny EMMO-NAT fa efa voalazan’ny lalàna fa anaty fotoam-pifidianana dia manan-kery hatrany ny fanentanana ny tsirairay hanaja ny lamina sy toromarika voalazan’ny lalàna. Ny Mpitandro filaminana eo anivon’ny EMMO-NAT araka izany, dia mitandro tanteraka ny filaminana mandritra izany andron’ny fifidianana izany. Etsy an-danin’izany, mampitandrina ny vahoaka tsy ho tafaroboka manoloana ny mety ho fanentanana hisiana fihetsiketsehana politika izay azo adika ho fandikan-dalàna, nanomboka omaly misasakalina io. Mampandre sy mampitandrina araka izany ny EMMO-NAT, fa manomboka omaly alina misasakalina dia tsy azo atao ny mitarika Olona hidina an-dalambe fa hampihatra ny lalàna izy ireo, ary tsy maintsy hiafara amin’ny fisamborana ho an’ireo izay minia mandika lalàna.

Handray fepetra amin’ireo Olona manakorontana eny anivon’ny biraom-pifidianana…

Ankoatra izay dia tsy azon’iza na iza atao ihany koa ny misarika ny fahafahan’ny tsirairay haneho ny heviny amin’ny fifidianana, mandritra ny fotoam-pifidianana, satria samy manana ny heviny ny tsirairay. Miray hina ny Mpitandro filaminana rehetra manerana ny Nosy izay misy rantsa-mangaika hampanjaka izay Fandriam-pahalemana izay hizoran’ny fifidianana am-pilaminana. Nanambara ny EMMO-NAT fa na iza na iza mitetika handrava na hanapotika sy hanao asa fanakorontanana mandritra ny fotoana fahanginana anio sy ny andron’ny fifidianana rahampitso dia tsy hihambahamba ny Mpitandro filaminana fa hampihatra ny lalàna ary hitondra ny raharaha eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra mahefa. Misy koa toromarika noraisin’ny Mpitandro filaminana rehetra avy amin’ny OMC, hitandroana ny filaminan’ny fifidianana sy ny Filaminam-bahoaka eny anivon’ireo Birao fandatsaham-bato. Isan’izany ny fiambenana sy fisorohana ny mety hisian’ny korontana izay sahanin’ny Mpitandro filaminana. Misy tompon’andraikitra eo anivon’ny CENI izay manana adidy hampahafantatra izay mety korontana anaty biraom-pifidianana amin’ny Mpitandro filaminana, ary efa vonona amin’ny fandraisana andraikitra amin’izany izy ireo. Namafisin’ny prefen’Antananarivo, Jeneraly Angelo Ravelonarivo, ihany koa, fa ny fiarovana ny fitaovana hanatanterahana ny fifidianana tonga eny amin’ny biraom-pifidianana ka mandra-pahavitan’ny fifidianana sy mandra-pahatongan’izany eny anivon’ny CRNV dia anjaran’ny Mpitandro filaminana tanteraka.

Pierre M. sy Stanislas R.

Fermer