PolitikaSongadim-baovao

VOKA-PIFIDIANANA: Mirona mankany amin’ny fandresen’ny Kandidà Rajoelina

Tontosa soa aman-tsara tamin’ny antsakany sy andavany ny fifidianana Filohan’ny Repoblika notanterahina omaly teto Madagasikara. Omaly hariva ihany dia efa nisy ireo vokatra nivoaka niainga avy amin’ireo Birao fandatsaham-bato samihafa teto an-drenivohitra sy tany amin’ny Faritra. Nisongadina tao anatin’izany fa mitarika amin’ny isam-bato lavitra dia lavitra ny Kandidà Andry Rajoelina.

Horakoram-pifaliana no re nanerana an’ireo Birao fandatsaham-bato maro teto an-drenivohitra sy ireo Faritra maro omaly nandritra ny fanisam-bato taorian’ny fifidianana Filoham-pirenena. Anton’izany ny fitarihan’ny Kandidà laharana fahatelo amin’ny isambato lavitra dia lavitra, raha nitaha tamin’ireo mpifanandrina taminy. Ho an’ny tao amin’ny Birao fandatsaham-bato Ambohibary Antanimena manokana izao, tamin’ireo 195 tonga nandrotsa-bato, dia nitarika tamin’ny isa 129 ny Kandidà Rajoelina, 19 ho an’i Marc Ravalomanana, ary 12 ho an’i Siteny Randrianasoloniaiko.  Ho an’ny tao amin’ny Birao fandatsaham-bato EPP Manakambahiny, tamin’ireo olona miisa 223 tonga nifidy dia nitarika tamin’ny isa 149 ny Kandidà Andry Rajoelina, 25 ho an’ny Kandidà Siteny Randrianasoloniaiko, ary 14 ho an’ny Kandidà Marc Ravalomanana. Tetsy amin’ny Birao fandatsaham-bato Ankorondrano Andranomahery dia nahazo vato 254 tamin’ireo mpifidy niisa 319 tonga nifidy ny Kandidà Rajoelina, raha toa ka 20 no azon’i Siteny Randrianasoloniaiko, ary 16 ny an’i Marc Ravalomanana. Ampahany ihany ireo fa saika mitovitovy amin’izany avokoa ny fironana manerana ireo birao fandatsaham-bato maro.  Tombanan’ny mpanara-baovao aza  fa mety ho vitan’ny Kandidà laharana fahatelo fihodinana voalohany ny fifidianana fa tsy hisy ny fihodinana faharoa.

Omaly, nampahafantatra ny mahakasika ny fikirakirana ny vokatra sy famoahana ny fironan’ny voka-pifidianana tamin’ireo soloten’ny kandida telo, ny talen’ny Fikirakirana ny lafiny ara-kajimirindra eo anivon’ny CENI, Ranaivodimby Alberto. 40 isan-jaton’ny vokatra manerana ny Nosy no noheverin’ny CENI havoaka amin’ny fironan’ny voka-pifidianana halina. Hatramin’ny ora nanoratanay moa dia tsy mbola nivoaka izany. Marihina fa amin’ny alalan’ny sarin’ny taratasy fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV) alefan’ny biraom-pifidianana amin’ny tablette na smartphone no amoahana ny fironana. Misy koa ny fandefasana ny sary « scan » rehefa tonga eo anivon’ny CID ny antontan-taratasy. Io indray no ankatoavana vonjimaika ny fironam-bokatra azo avy amin’ny biraom-pifidianana. Rehefa tonga amin’ny CENI foibe ny antontan-taratasy tena izy vao mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny CENI.

Fermer