PolitikaSongadim-baovao

SADC- VONDRONA AFRIKANINA – OIF : Nizotra tao anatin’ny filaminana ny fifidianana teto Madagasikara

Nanatanteraka tatitra vonjimaika, ireo Mpanaramaso iraisampirenena momba ny fifidianana natao teto Madagasikara,  ny sabotsy lasa teo, tetsy Ivandry. Nambaran’izy ireo fa nizotra tao anatin’ny filaminana sy mangarahara ny fifidianana nanaovan’izy ireo fanaraha-maso, ny alakamisy 16 novambra lasa teo. Afaka iray volana ny tatitra feno no hotanterahina…

Nanatontosa tatitra vonjimaika, ireo Mpanaramaso iraisampirenena momba ny fifidianana,  ny sabotsy lasa teo, tetsy Ivandry. Isan’izany ny Sadc, ny Vondrona Afrikanina ary ny « Organisation Internationale de la Francophonie » na ny  OIF. Nambaran’izy ireo fa nizotra tao anatin’ny filaminana sy mangarahara ny fifidianana nanaovan’izy ireo fanaraha-maso, ny alakamisy 16 novambra lasa teo.  Niarahaba manokana ny vahoaka malagasy ireo Mpanaramaso iraisampirenena, noho ny fahavitan’ny fifidianana am-pilaminana. Niantso ireo kandidà tsirairay koa izy ireo hanaja hatrany ny valim-pifidianana, mba tsy ivoahan’i Madagasikara ao anatin’ny fenitry ny lalàmpanorenana, mba hisian’ny fitoniana sy fandriampahalemana maharitra.  

Dingana lehibe no vitan’i Madagasikara tamin’ny fanatontosana ny fifidianana. Ny antony, satria na maro aza ny sakana tsy hahafaha-manatanteraka ny fifidianana, dia vita soa aman-tsara tao anatin’ny fitoniana sy filaminana tanteraka izany. Nahitsy ny avy amin’ny SADC sy ny Vondrona afrikanina fa tsy mitsara ny fifidianana izy ireo fa anjaran’ny fahefana mahefa napetraky ny lalàmpanorenana no manao izany. Nambaran’izy ireo tao anatin’ny tatitra natao, tamin’ny alalan’i Catherine Samba-Panza avy amin’ny Vondrona Afrikanina fa « mpikambana ao anatin’ny SADC i Madagasikara ka anjaran’izy ireo no manaramaso ny fifidianana milamina sy ao anatin’ny fangaraharana ».

Vitsy ny taham-pandraisan’ny vehivavy

Nasongadin’izy ireo hatrany fa tsy mitsabaka ny raharaham-pifidianana fa manaramaso no anjara andraikitra nankinina. Tsy niolaka izy ireo nanambara fa aloha loatra ny filazana momba ny resaka tahan’ny vahoaka nifidy nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena iny satria mbola tsy vory sy tonga avokoa ny valin’ny fifidianana rehetra.

Nasian’ireo Mpanaramaso ny fifidianana tsindrimpeo manokana, tamin’ny alalan’ny filohan’ny delegasionina Mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny OIF, Micheline Calmy Rey, ny fahavitsian’ny taham-pandraisana anjaran’ireo vehivavy mpifidy na izay ho kandidà. Nanantitrantitra koa izy fa tamin’ny fomba demokratika tokoa ny nanatontosana ny fifidianana teto Madagasikara. Tiana ny mampatsiahy fa afaka 30 andro no hanao ny tatitra feno momba ny resaka fanarahamaso ny fifidianana notanterahina ny alakamisy 16 novambra lasa teo iny ireto Mpanaramaso ny fifidianana iraisampirenena tonga teto Madagasikara ireto.

Rado Harivelo

Fermer