PolitikaSongadim-baovao

FIRONAM-BOKATRA VONJIMAIKA: Mitarika 62,39% i Andry Rajoelina, 43,15% ny taham-pahavitrihana

Araka ny fironam-bokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly tamin’ny 6ora sy 30minitra hariva, dia niakatra ho 43,15% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana farany teo. Vokatra azo avy amin’ny birao fandatsaham-bato miisa   10 107 amin’ny 27 375 no nahazoana izany. Noho izany, ny 36,92%-n’ireo Birao fandatsaham-bato hatramin’ny omaly no naharaisana vokatra. Miisa 4 547 417 ireo mpifidy nisoratra anarana tao anatin’ireo. Ary niisa 1 962 382 ireo mpifidy nandatsa-bato.

Raha isam-bato azon’ireo Kandidà kosa indray dia mitohy mitarika hatrany ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, izay nahazo ny 62,39%-n’ireo vato manan-kery. Nanaraka azy kosa i Siteny Randrianasoloniaiko nahazo salanisa 12,21%, ary i Marc Ravalomanana nahazo salanisa 11,22%.

Marihina fa amin’ny alalan’ny sarin’ny taratasy fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV) alefan’ny biraom-pifidianana amin’ny tablette na smartphone no amoahana ny fironana. Misy koa ny fandefasana ny sary « scan » rehefa tonga eo anivon’ny CID ny antontan-taratasy. Io indray no ankatoavana vonjimaika ny fironam-bokatra azo avy amin’ny biraom-pifidianana. Rehefa tonga amin’ny CENI foibe ny antontan-taratasy tena izy vao mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny CENI. Araka ny tetiandro dia amin’ny 24 Novambra 2023 izao no heverin’ny Ceni fa amoahana ny vokatra feno vonjimaikan’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 16 Novambra teo.

Tsara ho fantatra fa efa azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny Ceni ihany koa ireo vokatra vonjimaika isaky ny biraom-pifidianana : https://presidentielle.ceni-madagascar.mg/bvres.

Fermer