PolitikaSongadim-baovao

FIRONAM-BOKATRA VONJIMAIKA – FIFIDIANANA: Niakatra 43,05% ny taham-pandraisana anjara

Ny fironana vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly tamin’ny 11ora sy 40 minitra no nahitana fa niakatra 43,05% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, araka ny tarehimarika vonjimaika. Ny vokatra azo tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 13915 tamin’ireo 27375 nanerana ny Nosy no nahazoana io salanisa io. Izany hoe, 50,83% an’ireo Birao fandatsaham-bato.

Tsy araka ny novoizin’ny mpisehatra politika sasany tamin’ny harivan’ny fifidianana fa tafiakatra hatrany amin’ny 43,05% hatramin’ny omaly ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana ny 16 novambra lasa teo. Naverimberin’ireo sokajin’olona nanentana ny mpifidy tsy handrotsa-bato mantsy fa tsy hihoatra ny 15% ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana. Hatramin’ny omaly anefa, mbola ny vokatra avy amin’ny 50,83% an’ireo birao fandatsaham-bato no voakirakiran’ny Ceni, kanefa efa nahazoana io taham-pahavitrihana io. Dikany, mandrapahafenon’ny vokatra rehetra 100% dia heverina ny hahatafakatra an’io 45% na mihoatra aza.

Tsiahivina, fa tamin’ny taona 2018, dia 53% ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fihodinana voalohany, ary 48% kosa tamin’ny fihodianana faharoa. Noho izany, azo ambara ho tsy nahomby ihany ny antso nataon’ireo Kandidà 10 sy ny mpiara-dia azy ireo izay niantso ny olom-pirenena tsy hifidy satria raha ireo tarehimarika ireo no jerena dia latsaka kelin’ny taham-pahavitrihana tamin’ny 2018 ihany no ho hita amin’ity fifidianana 2023 ity.

Marihina fa ny teto afovoan-tany tamin’ny ankapobeny no tena nandairan’ny antso amin’ny tsy fandehana mifidy, fa ny tany amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy kosa dia saika tonga nanefa ny adidiny avokoa ireo olom-pirenena nahafeno fepetra. Midika izany, fa rehefa tafiakatra eo anivon’ny Ceni foibe avokoa ny vokatra rehetra isam-paritra dia mbola hisongadina ny fiakaran’io tarehimarika amin’ny taham-pandraisana anjara io. Ny zavatra tsikaritra tato anatin’ny andro vitsy izao dia tsy dia nivoy be intsony io resaka taham-pandraisana anjara io ny mpanohitra. Ireo mpanaramaso iraisampirenena ihany koa, tetsy ankilany, tsy tena nametraka ho olana goavana ny resaka taham-pandraisana anjara raha nijery ny fivoaran’ny tarehimarika avoakan’ny Ceni. Fehiny, tapitra hatreo indray ny adihevitra iniana foronina momba ny resaka taham-pandraisana anjara noho ny fiakaran’ny tarehimarika.

Ny Fanoratana.

Fermer