PolitikaSongadim-baovao
FITAKIANA FIFAMPIDINIHANA: Tsy afaka hanova ny safidim-bahoaka
Samy mivoy ny tokony hirosoan’i Madagasikara amin’ny fifampiresahana sy dinika an-databatra boribory indray ankehitriny na ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana na ireo mpanaramaso iraisampirenena tao anatin’ny tolo-kevitra nataon’izy ireo taorian’ny fifidianana. Mazava anefa ny fitsipi-dalao ho an’ireo mpanara-maso iraisampirenena, raha tsy hilaza afatsy ny “International libéral”, fa tsy natao hanozongozonana ny maha ara-dalàna sy maha ara-drariny ny fifidianana vita teo no anton’ny dinika, fa mba hanatsarana kosa ny hoavy.
Taorian’ny androm-pifidianana dia namoaka tatitra savaranonando ireo fikambanana iraisampirenena izay nanara-maso ny fifidianana. Anisan’ny nisongadina tao anatin’ny tatitra nataon’izy ireo ny fizoran’ny fifidianana tao anatin’ny filaminana. Teo koa ny tsy fisiana tranga hafahafa na hosoka nandritra ny fifidianana. Navoitran’ireo rehetra nanao tatitra ihany koa ny tolo-kevitra ny amin’ny tokony hidiran’i Madagasikara amin’ny fifampiresahana, indrindra eo amin’ireo samy mpisehatra politika.
Raha tsiahivina, isan’ireo Mpanara-maso fifidianana nanipika ny tokony hisian’io fifampiresahana io ny “international libéral”. Inian’ireo mpisehatra politika sasany voizina amin’ny firehana mampety azy indray anefa io fanehoan-kevitra io, ka rohitina any amin’ny hoe tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny fifidianana natao ny 16 novambra 2023 teo, fa na ny mpanara-maso fifidianana aza niantso ny hisian’ny fifampidinihana indray. Nazava anefa ny fanampim-panazavana nentin’ny Depiote Michel de Maegd, mpikamban’ny Antoko Libéral Belge, isan’ireo parlemantera eoropeanina tao anatin’ny delegasion’ny mpanara-maso fifidianana avy amin’ny “International Libéral”, tao amin’ny Gazety mpiseho isan’andro iray nivoaka omaly, fa anjaran’ny Filoha voafidy eo no mitarika ny fifampiresahana sy ny dinika. “Aleo hazava fa ny antso ho an’ny fifampidinihana dia tsy manaisotra velively ny maha ara-dalàna sy ny maha ara-drariny ny fifidianana natao, na ireo andrimpanjakan’ny Fanjakana malagasy”, hoy ny fanazavany. Izany hoe, tsy fandravana ny fifidianana natao ny 16 novambra na fandravana andrimpanjakana no anton’ny antso fifampiresahana nataon’izy ireo. Ny dikan’ny hoe fifanakalozan-kevitra nambaranay, hoy izy, dia hoe miara-miasa ho an’ny hoavy tsaratsara kokoa. Ary nambarany fa toy izany daholo ny tranga miseho any Eoropa sy ny firenena maro.
Notsindrian’ity mpikambana amin’ny Antoko “Libéral” teratany Belge ity fa ny fanoherana dia tokony ho misahana ny asany amin’ny maha mpanohitra azy, fa tsy tokony hiditra amin’ny fampikatsoana ny andrimpanjakana, fa manao izay hahatongavana amina fifanarahana politika mitodika mankany amin’ny tombontsoam-bahoaka fa tsy tombontsoa manokana. Ho an’ireto mpanara-maso fifidianana ireto dia mazava fa ny Filohan’ny Repoblika voafidy eo no tokony hitarika izany fifampidinihana izany. Hatreto, araka izany, dia misy mihitsy resaka mirona mankany amin’ny famerenana indray ny fifidianana, na tsy fanekena ny fifidianana izay nandeha ny 16 novambra teo.




