KolontsainaSongadim-baovao
SAMBO MPIVAROTRA BOKY «LOGOS HOPE»: Nahaliana vahoaka maro ny figadonana tao Toamasina
Sambo mpivarotra boky lehibe indrindra maneran-tany ny “Logos Hope”. Adika amin’ny teny hoe “Tenin’Andriamanitra” ny “Logos”. “Fanantenana” kosa ny dikan’ny teny hoe “Hope”. Rehefa izany, fampiroboroboana ny fivavahana kristianina no himasoan’ity sambo lehibe ity amin’ny alalan’ny fitetezana firenena maro manerana an’izao tontolo izao. Araka ny fantatra, tanjon’ny sambo Logos Hope ny hanitarana ny Filazantsara, fizarana fahalalana, fanampiana amin’ny endriny marolafy, ary fanomezana fanantenana ho an’ireo izay kivy amin’ny alalan’ny vavaka sy fanaovana asa soa. Any Allemagne no foiben’ny Logos Hope. Nanomboka ny taona 1970 no nisian’ny sambo lehibe fivarotam-boky tahaka itony, ary nivoatra hatrany izany mandrak’ankehitriny. Marihiny fa manodidina ny 400 ireo olona miasa sy mpilatsaka an-tsitrapo miara-misalahy amin’ny fampihodinana ity sambo lehibe ity. Malagasy ny iray amin’izy ireo.
Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo firenena hotsidihin’ny Logos Hope i Madagasikara amin’ity taona 2023 ity. Efa niantsona andro maromaro tany Antsiranana izy ny 27 oktobra hatramin’ny 12 novambra lasa teo. Amin’izao fotoana kosa, miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina indray ity sambo lehibe fivarotam-boky ity, nanomboka tamin’ny 17 novambra lasa teo ary hijanona ao an-toerana hatramin’ny 12 desambra ho avy izao.
Nahaliana vahoaka maro hatreto ny figadonan’ny sambo Logos Hope ao Toamasina. Indrindra fa nifanojo tamin’ny faran’ny herinandro, andro tsy fiasana, ny fahatongavany tany an-toerana. Manomboka amin’ny 5 000ar dia efa afaka misitraka boky ao amin’ity sambo ity. Amin’ny maha sambo mpitety firenena azy dia saika amin’ny teny anglisy ny ankamaroan’ireo boky amidy ao. Misy ihany koa anefa ireo amin’ny fiteny hafa, sy boky malagasy. Antony mahasarika ny olona hitsidika ity sambo lehibe ity ny hitady ireo boky efa nikarohana ela. Eo ihany ireo nilaza ny hizaha ny zava-baovao hoentin’izany sambo izany. Tsy adinoina fa misy ireo izay liana amin’ny fitsidihana fotsiny ihany ny sambo, indrindra ho an’ireo izay mitondra ankizy. Marihina fa ahitana toeram-pisakafoana koa ny Logos Hope.
Ankilany, mifameno tanteraka amin’ny tanjon’ny fampiroboroboana ny vaky boky izay hiandraiketan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fandalovan’ity sambo ity eto Madagasikara. Noho izany indrindra no anton’ny fitsidihana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, tany an-toerana tamin’ny sabotsy lasa teo. Nanotrona azy tamin’izany ny talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina any amin’ny Faritra Atsinana, Aniella Elisabelle.
Sarobidy Sidonie.




