PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIFAMPITIFIRANA TENY ANDOHAN’I MANDROSEZA : Mpanolotsaina Filohana Andrimpanjakana ny iray voatifitra

Taorian’ny fifampitifirana teny Andohan’ i Mandroseza teo amin’ireo jiolahy sy ny Mpitandro filaminana, afak’omaly, fantatra izao fa Tale teo aloha teo anivon’ny Instat, sady Mpanolotsaina filohana andrimpanjakana ny iray tamin’ireo voatifitra. Namoaka fanambarana ny Tale jeneralin’ny Instat, Ndremitsara Tarzan, omaly tetsy amin’ny toeram-piasany Anosy, fa tsy tomponandraikitra mahakasika ny zava-nitranga afakomaly  21 Novambra 2023 teny Andohan’ i Mandroseza, izay mahakasika Tale iray teo aloha ny  teo anivon’ny Instat.  Nivoitra nandritra ny fanambarany fa fiaram-panjakana nomen’ny Mpitantana teo aloha azy tamin’ny taona 2020 ny fiara nampiasainy iny, amin’ny maha Tale azy tamin izany ary efa nandefasana taratasy tamin’ny datin’ny 19 Jona 2023, hamerenana tsy misy hataka andro izany fiara izany, saingy mbola tsy namerina izany izy, na dia efa natao aza ny fepetra mifanaraka momba izany. Araka ny fanadihadiana, io fiara Land Cruiser nentin’ilay Mpanolotsaina filohana andrim-panjakana io, dia efa tsikaritra nanatanteraka fanafihana teny Anjanamasina, kaominina ambanivohitra Anosiala, ny 31 oktobra 2023. Tranona mpiasa miasa eo anivon’ny Hetra no voatafika ary io fiara io no nitondra ireo jiolahy. Taorian’io, nisy fanafihana koa ny 19 novambra 2023, ka Ramatoa iray no lasibatra. Io fiara io ihany no fantatra fa nitondra ireo jiolahy.

Raha ny resaka nandeha teny amin’ny manodidina, nahitana volabe io fiara io. Ankoatra izay, ny iray tamin’ireo maty voatifitra dia isan’ ireo voakasika tamin’ilay halatra sprinter menamena nalaza be, fotoana maromaro lasa izay. Tiana ny manamarika fa fanafihana fahatelo, no nahalavo ireto jiolahy ireto.

Fifampitifirana…

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, nirefodrefotra ny basy teny amin’ny faritra Andohan’i Mandroseza iny izay nanaitra ny mponina, afakomaly tamin’ny 11 ora tany. Nisehoana tranga fanafihana mitam-piadiana tao Amparihy kely Tanambao Andohan’i Mandroseza, akaikin’ny Masoivohon’i Norvège. Raha ny zava-nitranga teny an-toerana, jiolahy miisa dimy  no maty lavon’ny bala rehefa niseho ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana, zandary. Tafatsoaka kosa, ny roa amin’izy ireo, izay nitondra môtô roa marika tigra miloko mena antitra sy Racing 150. Ankoatra izay, Fiara land cruiser iray no nentin’izy ireo izay tratra sady rotiky ny balan’ny Mpitandro filaminana. Nanampy ireo zandary teny koa ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena.

Mitohy ny fanadihadiana sy izay mety hifandraisan’izao raharaha izao, amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Ny Fanoratana.

Fermer