PolitikaSongadim-baovao

VOKA-PIFIDIANANA VONJIMAIKA: Mandresy amin’ny salanisa 58,95% i Andry Rajoelina

Lany fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana ny 16 novambra teo andriamatoa Andry Rajoelina, raha niainga tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny sabotsy teo. Ny tenany izay nahazo ny salanisa 58,95% tamin’ireo vato manan-kery nanerana ny Nosy. Nitombo ihany koa ireo olom-pirenena nifidy an’i Andry Rajoelina raha nitaha tamin’ireo mpifidy azy tamin’ny taona 2018. Manaporofo ny maha ara-dalàna sy ny maha ara-drariny ny fahalaniany izany. Mbola andrasana kosa ny vokatra ofisialy farany ho avoakan’ny HCC.  

Vato miisa 2 856 090 tamin’ireo vato manankery miisa 4 844 764 no azon’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana ny 16 novambra 2023 teo, araka ny tatitry ny voka-pifidianana vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Nandresy tamin’ny salanisa 58,95%, araka izany, i Andry Rajoelina, raha io vokatra vonjimaika io. Raha io tarehimarika io, araka izany, dia mazava ny fahalaniany fihodinana voalohany, noho ny fahazoany ny antsasamanilan’ireo vato manan-kery. Ny tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa no tena nahazoan’i Andry Rajoelina vato betsaka, satria dia nitarika tamin’ny salanisa 66,07% izy tao amin’ity faritany ity. Marihina fa andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko no nahazo ny laharana faharoa tamin’ny isam-bato 697 453 (14,40%), ary i Marc Ravalomanana kosa dia nahazo vato miisa 586 273 (12,10%). 127 145 no isan’ny vato fotsy ary 147 583 no isan’ny vato maty.

Fikirakirana ny vokatra

 Ho fampiharana izay voalazan’ny andininy faha-198 tamin’ny Lalàna fehizoro lf 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018, niroso tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika tamin’ny fihodinana voalohan’ny Filohan’ny Repoblika izay natao ny 16 novambra teto Madagasikara ny sabotsy teo, ny Ceni teny amin’ny foiben-toerany eny Alarobia. Natrehin’ireo olona maro izany : solontena avy amin’ny Andrimpanjakana, ireo mpiaramiombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ireo kandidà mpifaninana, ireo raiamandreny, ireo mpanara-maso fifidianana eto an-toerana sy iraisam-pirenena,sns…

Nampahafantatra ny Ceni fa fito (07) andro aorian’ny naharaisana ireo tahirin-kevitra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato (SRVM) no fepotoana voafaritry ny lalàna hahafahan’ny Ceni mikirakira ny voka-pifidianana. Nampiasa ireo fitaovam-pitaterana rehetra (fiara-manidina, angindim-by,sns…) ny Ceni mba hanatrarany ny asa fikirakirana ny voka-pifidianana vonjimaika. Ankoatra izay, mahasaro-piaro ny Ceni ny fandraisan’ireo sokajin’olompirenena rehetra anjara amin’ny zotram-pifidianana. Sambany teto Madagasikara no nampiasana ny takelaka fanisana ireo sokajina mpifidy ireo tany amin’ny biraom-pifidianana miisa 27.375. Ankilany, nisy ihany koa ny fampiasana ny baoritra manokana misy « braille » ho fanampiana ireo olona manana olana ara-pahitana hanana ny tsiambaratelon’ny safidiny. Miisa 3.000 ny baoritra naparitaka teny amin’ny foibem-pifidianana tany amin’ireo renivohi-paritr’i Madagasikara. Ity fitaovana ity izay novokarin’ny Fikambanan’ny jamba eto Madagasikara miaraka amin’ny fanohanan’ny Tahirimbola afrikana ho an’ny fifidianana izay vatsian’ny Governemanta Alemana, ary narotsaka tao anatin’ny kitapom-bolan’ny Tetikasa Fanamafisana sy Fanohanana ny Zotram-pifidianana sy Demokratika eto Madagasikara (RPEDEM).

Tsara ny manamarika fa fahefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany ny manambara ny voka-pifidianana farany ary azo jerena sy alaina ao amin’ny tranonkalan’ny CENI : www.ceni-madagascar.mg ny antsipirihan’ny voka-pifidianana vonjimaika isaky ny biraom-pifidianana.

Fermer