PolitikaSongadim-baovao

FITORIANA MOMBA NY VOKA-PIFIDIANAN: Antontan-taratasy miisa sivy no voarain’ny HCC

Nifarana halina tamin’ny misasak’alina ny fahafaha-manatitra ny antontan-taratasy fitoriana momba ny voka-pifidianana. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly, niisa sivy ireo fitoriana voarain’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Ity farany izay manana sivy andro amoahana ny voka-pifidianana ofisialy, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ny sabotsy teo.

Omaly tamin’ny misasak’alina no fara-fandraisana ny fitoriana momba ny voka-pifidianana Filoham-pirenena izay natao ny 16 novambra 2023 teo. Nanomboka tamin’ny fotoana namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny voka-pifidianana vonjimaika no nisokatra ny fahafaha-manatitra ny fitoriana teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia antontan-taratasy miisa sivy no voarain’ny HCC, araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana.

Araka ny fanazavana dia avy amina kandidà avokoa ireo taratasy mikasika ny resaka fifanolanana ara-pifidianana tonga ao amin’ny HCC. Izany hoe, raha ny tomban’ny mpanara-baovao dia ny anisan’ireo ny Kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, sy ny Kandidà laharana faha-13, Siteny Randrianasoloniaiko. Ireto farany mantsy dia samy nilaza fa nahita tsy fahatomombanana teo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Tetsy ankilany, tsikaritra fa tsy nisy olom-pirenena tsotra nandray anjara tamin’ny fifidianana tonga nametraka fitoriana. Araka ny voazalan’ny andininy faha-202 ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana 2018-008 momba ny fitondrana ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka anefa, dia ny olom-pirenena rehetra izay nandray anjara tamin’ny fifidianana, dia afaka mitory. Voalaza ao anatin’io lalàna io ihany koa fa ireo kandidà, na ny solontenan’ny kandidà, ary ireo mpanara-mason’ny fifidianana, izay nahazo fankatoavana tamin’ny Ceni, dia afaka mametraka an’izay fitarainana na fitoriana izay avokoa.

Fanafoanana ny vokatra

Ny voalaza fa tsy fanarahan-dalàna hita nandritra ny androm-pifidianana, ny fanafoanana ny vokatra azon’ny Kandidà, ary ny fampitahana ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni sy ny fitanana an-tsoratra eny amin’ny kandidà no ankamaroan’ireo fitoriana, araka ny angom-baovao avy eo anivon’ny HCC hatrany. Nomarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny HCC fa izy ireo dia niasa avy hatrany nanomboka tamin’ny fahavitan’ny fifidianana hatramin’izao. Tsy miankina amin’ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni ny HCC fa mamerina manao ny fikirakirana rehetra mihitsy an’ireo voka-pifidianana rehetra, amin’ny alalan’ny antontan-taratasy natokana ho an’ny HCC.

“Ireny antontan-taratasy ireny dia efa feno amin’izao fotoana izao, ho an’ireo distrika 119 manerana an’i Madagasikara. Efa mandeha ny fikarakarana. Azo heverina fa vonona ao anatin’ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ny famoahana ny vokatra ofisialy, Izany hoe, sivy andro taorian’ny famoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika”, hoy ny fanazavana.    

Fermer