PolitikaSongadim-baovaoToekarena

MPAMPIANATRA, MPITSABO, MPITANDRO FILAMINANA, … : Handray mpiasa 14 466 ny Fanjakana amin’ny taona 2024

Hanome lanja betsaka ny lafiny ara-tsosialy sy ny famoronana asa ary ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Tetibolam-panjakana 2024, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola omaly teny Tsimbazaza. Isan’ireo ezaka ho atao manokana ny fandraisana mpiasam-panjakana hanodina ireo fotodrafitrasa napetraka teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2019, toy ny mpampianatra, mpiasan’ny fahasalamana, mpitandro filaminana, sy ny sisa.

Teboka lehibe iray ifotoran’ny Volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana (LFI) 2024 ny fanomezana vahana bebe kokoa ny lafiny ara-tsosialy. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, dia niakatra 341 miliara Ariary ny tetibola natokana ho an’ny lafiny sosialy. Voakasika ao anatin’izany ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, fampianarana teknika, fampandriana fahalemana, ny mponina sy ny sisa. Nanazava ny Minisitra fa nisy ireo fotodrafitrasa maro napetraka teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2019. Tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly manarapenitra miisa 496, ireo CSB 122, ireo hopitaly 13, tribonaly, sy ny sisa. Tsy maintsy mila olona anefa mampihodina azy ireny, ka antony hanaovan’ny Fanjakana fandraisana mpiasam-panjakana hatrany amin’ny 14 466 amin’ny taona ho avy io. Hatao lohalaharana ao anatin’izany ireo Mpampianatra, Mpitsabo, Mpitsabo mpandidy, Mpitsabo mpanampy, Mpikaridraharaha, Miaramila, Polisy, Zandary, Mpiandry fonja, Mpitsara sy ny sisa. Nanamafy koa ny Minisitra fa mba ho fanomezan-danja bebe kokoa ireo mpampianatra dia ho akarina ny tambin-karama ho azy ireo.

Hampiroboroboana ny indostria

Isan’ny fototra iray iorenan’ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bola 2024 koa ny fampiroboroboana ny indostria, izay miteraka famoronana asa. Tetibola mitentina hatrany amin’ny 77 miliara ariary no omanin’ny Fanjakana amin’izany. Hisy, araka izany, ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo teknisianina amin’ny sehatra samihafa. Ho foanana ihany koa ny “droit de sortie” amin’ny fanondranana Harena an-kibon’ny Tany, fa atambatra atao Hetra tokana. Ary apetraka ny “guichet unique” amin’ny fanondranana Harena an-kibon’ny Tany. Ankoatra izay, hisy ny fanapahan-kevitra horaisaina iraisan’ny Minisitera vitsivitsy izay hanome antoka ny fitoniana sy ny filaminan’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Etsy ankilany, mihena 30% ny haba sy hetra ho aloan’izay orinasa manodina ny vokatra eto an-toerana.

Fanomezan-danja ny Faritra sy Kaominina

Teboka fahatelo ifotoran’ity LFI 2024 ity ny mahakasika ny fitantanana sy ny fitsinjaram-pahefana. Raha mitaha tamin’ny tetibola 2023 dia niakatra 16,66% ny tetibola natokan’ny Fanjakana ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tena mampahomby ny fitsinjaram-pahefana anefa dia ny fahalalahana amin’ny fitantanana ara-bola, na ny vola miditra, na ny vola mivoaka, hoy ny Minisitra. Tsy io fanampiana avy amin’ny Fitondrana foibe io irery, araka izany, no tokony hiveloman’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, fa ampiana izy ireo hampidi-bola ho azy manokana. Nametraka “tarification” vaovao, noho izany, ny LFI 2024 mba ho fampiharana an’ilay lalàna 2014-020 mikasika ny loharanom-bolan’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Efa tamin’ny taona 2014 no nisy an’io lalàna manome alalana fidiram-bola manokana ho an’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana io. Saingy, hatramin’ny taona 2023 dia tsy nisy nanao mihitsy ny tarification an’izany fidiram-bola izany. Ankoatra izay, heverina fa hitombo roa ny isan’ny Faritra hatramin’ny taona 2024 ka efa misy tetibola mifanaraka amin’izany ao amin’ny LFI 2024. Etsy ankilany, raha toa ka 30 Tapitrisa ariary ny tohana ara-bola ho an’ny Kaominina teo aloha, dia akarina ho 35 Tapitrisa ariary izany amin’ny taona 2024, araka ny voarakitra ao amin’ny LFI.

Fiovan’ny Fitondrana?

Nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa tombanana ho 4,5% ny fitombon’ny Harin-karena faobe amin’ny taona 2024. Ankoatra ireo, nomarihin’ny Minisitra manokana ihany koa fa tsy misy tokony hampanahy mihitsy ny mety ho fahazoan’i Madagasikara Mpitondra vaovao amin’ny taona ho avy, taorian’ny fifidianana ny 16 novambra teo satria na manova rafitra sy programanasa vaovao aza ny Fitondrana vaovao dia efa misy fombafomba voalazan’ny lalàna ahafahana mamindra tetibola na mandrindra ny fitantanana ny volam-panjakana.

Ho fanajana ny andininy faha-92 ao amin’ny Lalàmpanorenana moa dia tonga nanolotra ny Volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bola taona 2024 teo anatrehan’ireo Solombavambahoaka omaly ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Fermer