PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLAM-PANJAKANA 2024 : Nankatoavin’ny Depiote ny fampiakarana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra

Lany tsy nasiam-panitsiana nandritra ny fivoriana itambarambe azon’ny Besinimaro natrehina teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly ny Volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024. Isan’ny misongadina ao anatin’ity tetibolam-panjakana ity ny fanomezan-danja bebe kokoa ny lafiny sosialy amin’ny fampiasam-bola sy ny fandaniam-bola, toy ny fampiakarana ny tambin-karama ho an’ny Mpampianatra.

Nolanian‘ny Solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana omaly 30 Novambra 2023 teny amin’ny Antenimerampirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2024. Teboka telo lehibe no nifotoran’ity tetibolam-panjakana ity, raha tsiahivina ny fanazavan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivoarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria, ary ny fanjakana tsara tantana sy fanomezan-danja ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.   

Araka ny fanazavana dia niakatra 341 miliara Ariary ny tetibola natokana ho an’ny lafiny sosialy. Voakasika ao anatin’izany ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, fampianarana teknika, fampandriana fahalemana, ny mponina sy ny sisa. Nanazava ny Minisitra fa nisy ireo fotodrafitrasa maro napetraka teto amin’ny firenena nanomboka ny taona 2019. Tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly manarapenitra miisa 496, ireo CSB 122, ireo hopitaly 13, tribonaly, sy ny sisa. Tsy maintsy mila olona anefa mampihodina azy ireny, ka antony hanaovan’ny Fanjakana fandraisana mpiasam-panjakana hatrany amin’ny 14 466 amin’ny taona ho avy io. Hatao lohalaharana ao anatin’izany ireo Mpampianatra, Mpitsabo, Mpitsabo mpandidy, Mpitsabo mpanampy, Mpikaridraharaha, Miaramila, Polisy, Zandary, Mpiandry fonja, Mpitsara sy ny sisa.

Nanamafy koa ny Minisitra fa mba ho fanomezan-danja bebe kokoa ireo mpampianatra dia ho akarina ny tambin-karama ho azy ireo. Mizara roa ny fanovana natao ao anatin’izany, dia ny fampiakarana ny “indemnités de logement” ho 50 000Ariary raha toa ka 14 000Ariary izany ankehitriny. Eo koa ny mahakasika ireo mpampianatra FRAM izay natsaraina ho toy izao: eo amin’ny ambaratonga fototra dia nakarina ho 150 000Ariary raha 110 000ariary izany ankehitriny, ny kolejy 180 000ariary raha 120 000ariary izany ankehitriny ary ny lisea dia 200 000ariary raha 150 000ariary izany ankehitriny.

Mitodika amin’ny tombontsoam-bahoaka

Samy niaiky ireo depiote nandray fitenenana teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly fa tena mitodika amin’ny tombontsoam-bahoaka tokoa ity tetibolam-panjakana 2024 ity, ka heverina fa anton’ny tsy fisian’ny fanovana natao. Notsindrian’ny Filohan’ny Vondrona parlemantera IRD, ny solombavambahoaka Velontsara Paulbert, fa taratra hitondra fampandrosoana amin’ny taona ho avy ity tetibolam-panjakana ity.

Tsara ho fantatra fa isan’ny teboka misongadina ao anatin’ny LFI 2024 koa ny vina fametrahana Faritra roa vaovao eto Madagasikara, ho fampiharana ny fitsinjaram-pahefana. Eo koa ny fampiakarana ho 35 Tapitrisa Ariary ny tohana ho an’ny Kaominina, raha toa ka 30 tapitrisa Ariary izany teo aloha.

Andrasana ny fandalovan’ny LFI 2024 eny amin’ny Antenimierandoholona, Anosy.

Fermer