PolitikaSongadim-baovao
ANDRY RAJOELINA: Voafidy ho Filoham-pirenena ho an’ny 5 taona manaraka indray
Fandresena goavana! Tamin’ny salanisa 58,96% no nandrombahan’andriamatoa Andry Rajoelina ny fandresena tamin’ny fifidianana, ka nahavoafidy azy indray ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ho an’ny dimy taona manaraka indray. Nampahafantarina omaly teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana natao teto Madagasikara ny 16 novambra 2023 lasa teo.
Vita teo amin’ny fihodinana voalohany ny fifidianana Filohan’ny Repoblika teto Madagasikara tamin’ity taona ity. Nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) omaly ny voka-pifidianana ofisialy, ka fantatra tao anatin’izany fa mitarika amin’ny salanisa 58,96% ny Kandidà Andry Rajoelina. Araka ny andininy faha-65 ao amin’ny Lalàna fehizoro laharana 2018-008 momba ny fitondrana ankapobeny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka anefa, dia ambaran’ny HCC fa voafidy tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ny mpilatsaka hofidiana, izay nahazo ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery. Noho izany indrindra no nanambarana fa lany avy hatrany tamin’ny fihodinana voalohany andriamatoa Andry Rajoelina.
Ny Kandidà laharana faha-13 kosa no faharoa izay nahazo ny salanisa 14,39%, ary ny kandidà laharana faha-5 no fahatelo, nahazo ny salanisa 12,09%. Araka izany, nodidian’ny HCC fa miverina ny antom-bolan’ireo Kandidà roa ireo, miaraka amin’ny ny an’ny Kandidà Rajoelina noho ny fahazoan’izy ireo ny salanisa maherin’ny 10% avy.
5 taona manaraka indray
Nisesisesy ny fanambarana avy amin’ireo rafitra isan-karazany avy eto an-toerana sy avy any ivelany vao vantany vao nivoaka ity voka-pifidianana ity. Fanambarana izay niarahaba sy nidera an’i Madagasikara noho ny amin’ny fahatanteran’iny dingana ara-demokratika ity, ary fiarahabana ihany koa an’andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny fandreseny. Isan’ireo niarahaba manokana ny vahoaka malagasy sy ny Filoha Rajoelina ny Filohan’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Hoy indrindra izy tao amin’ny kaonty facebook-ny: “Dia arahabaina ny vahoaka malagasy rehetra nahazo Filohan’ny Repoblika vaovao ho an’ny 5 taona manaraka indray. Misaotra ny Avo ao ambony fa vita soamantsara tao anaty filaminana ny zotram-pifidianana rehetra. Mankasitraka amin’ny fahendrena nasehon’ny Malagasy tsy ankanavaka.”
Fitoriana maro nolavina
Tamin’ny ankapobeny, tsy nisy nitombina avokoa ny fitoriana nataon’ny Kandidà Siteny Randrianasoloniaiko momba an’andriamatoa Andry Rajoelina, raha ny fanapahana navoakan’ny HCC omaly. Isan’ny fitoriana napetrany ohatra ny mahakasika ny tsy tokony haha kandidà an’andriamatoa Andry Rajoelina noho ny fizakany ny zom-pirenena vahiny. Nambaran’ny HCC fa manana ny taratasy ara-dalàna fanamarinana ny fizakany ny zom-pirenena malagasy andriamatoa Andry Rajoelina, ka nekena ny maha kandidà azy. Nolavin’ny HCC koa ny fangatahana fanafoanana voka-pifidianana nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko noho ny filazana fa nisy tsy fahatomombanana tamin’ny fizotry ny fifidianana, ary koa nisy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana nampiasaina. Nilaza ny teo anivon’ny HCC fa rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy nanohintohina velively ny latsa-bato nataon’ny mpifidy ny heverina fa tsy fahatombonana, ka nolavina ny fitoriana. Toy izany ihany koa ny fitoriana mahakasika ny tokony hanalana an-daharana ny Kandidà Rajoelina no nambarany fa fanalam-baraka nataon’ity farany an’ny HCC tamin’ny filazany fa tsy hanaiky ny fanemorana ny fifidianana, fony izy nanao fampielezan-kevitra tany amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Nanamafy ny HCC fa tsy fanalam-baraka no nataon’andriamatoa Andry Rajoelina, ary ny fiarovan-tenan’ity farany rahateo dia nilaza fa tsy nanana tanjona ny hanala-baraka izy fa fanehoan-kevitra fotsiny no nataony teo anatrehan’ny fanapahan-kevitra noraisina. Araka izany, fandresena miezinezina ho an’i Andry Rajoelina ny voka-pifidianana Filoham-pirenena.



