PolitikaSongadim-baovao
FIANAKAVIAMBE IRAISAMPIRENENA : Mankato ny maha Filoha voafidim-bahoaka an’i Andry Rajoelina
Mankato ny fahalanian’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 16 novambra 2023 teo ny sehatra iraisampirenena. Taorian’ny fanambanana ofisialy ny fahalaniany nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) teo, nisesisesy ireo fanambarana fiarahabana an’i Andry Rajoelina nataon’ireo Filoham-pirenena maro avy amin’ny firenen-tsamihafa.
Anisan’ireo vahiny nasaina manokana hanatrika ny fivoriana an-tampony momba ny tontolo iainana, COP 28 atao any Dubai ny 30 Novambra ka hatramin’ny 12 desambra 2023 ny Filoha voafidy andriamatoa Andry Rajoelina. Nandritra izany, Mpitondra iraisam-pirenena ambony maro no nandray ny Filoha Andry Rajoelina, izay samy niarahaba azy noho ny fahalaniany, sy nankasitraka ny fizotran’ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Anisan’ireny ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU), ny Filohan’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ny Sekretera jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena mampiasa sy miteny frantsay (OIF), ny Filoham-pirenen’i Angola izay sady Filohan’ny SADC.
Nanamafy ny Filoha komoriana izay sady Filohan’ny Vondrona Afrikana (UA), Azali Assoumani fa miarahaba ny Filoha Andry Rajoelina ny tenany tamin’ny fahalaniany, ary niarahaba ny firenena malagasy koa izy noho ny fahavitan’ny fifidianana tao anatin’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana. « Andriamatoa Andry Rajoelina, nanome lesona tsara ho anay ianareo satria maro ankehitriny ny firenena aty Afrika miaina fanonganam-panjakana. Noho izany, lesona tsara ho antsika ny fahombiazan’i Madagasikara, mba hampiakatra ny laza tsaran’i Afrika », hoy hatrany izy.
Tsy nanadino ny niarahaba sy nidera ny dingana vitan’i Madagasikara sy ny Filoha Andry Rajoelina koa ny Filohan’i Sénégal, Macky Sall. Ny Filohan’i Seychelles Wavel Ramkalawan, kosa dia sady niarahaba ny Filoha Rajoelina, no nanamafy ny fahatongavany ho avy eto amintsika amin’ny fianihanana amin’ny 16 desambra izao.
Avy amin’ny lafivalon’ny Nosy
Tsara ho fantatra fa ankoatra ireo Filoha nihaona taminy nivantana tany amin’ny COP28, dia tsy vitsy ihany koa ireo Filoham-pirenena nandefa hafatra sy taratasy fiarahabana manokana an’i Andry Rajoelina izay tafaverina indray eo amin’ny fitantanana ny firenena tamin’ny alalan’ny fifidianana.
Isan’ireny ny ny praiminisitra Maorisianina Pravind Jugnauth. Fototra mampiray sy hananganan’i Maorisy sy i Madagasikara ho avy iombonana hoy izy ny rohy ara-tantara sy ara-pirahalahiana misy eo amin’ny Nosy roa tonta. Notsindriany fa manga tokoa ny lanitra eo amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandraisana nanomboka ny fahalanian’ny filoha Andry Rajoelina voalohany tamin’ny taona 2018 ary mirary ny hitohizan’izany sy ireo fiaraha-miasa maro ny praiminisitra Pravind Kumar Jugnauth. Nohamafisin’ity Praiminisitra Maorisianina ity tamin’ny taratasy nalefany fa isan’ireo mpitondra fanjakana ho avy hanatrika ny lanonam-pianianan’ny filoha Andry Rajoelina ny filoha Maorisianina Prithvirajsing Roopun.
“Izao fahalanianao hitondra fanindroany ny firenena izao dia ahafahako indray miarahaba anao, amin’ny anaran’ny vahoaka sy ny governemanta ivoariana”, hoy ny Filoha Alassane Ouattara. Notsipihany tao anatin’ny taratasy fiarahabana nalefany fa maneho ny fanavaozan’ny vahoaka Malagasy ny fahatokisany ny fahalanian’ny filoha Andry Rajoelina. Nirary soa tahaka izany koa ny Praiminisitra indianina Narendra Modi, tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra natao tao amin’ny tambazotra Twitter.
Ny firenena amerikanina tamin’ny alalan’ny Mpitondra tenin’ny departemantam-panjakana Amerikanina Matthew Miller ihany koa dia namoaka taratasy milaza fa I Etazonia dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Filoha voafidy Andry Rajoelina, ny governemanta, ary ny vahoaka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampanajana ny zo fototra ho an’ny tsirairay.
Fehiny, nahazo ny fankatoavan’ny iraisampirenena ny fahalanian’i Andry Rajoelina, ary maniry hiara-hiasa aminy ny rehetra.




