PolitikaSongadim-baovao
MARIKY NY FANKATOAVANA : Filoham-panjakana maro vonona hanatrika ny fianianan’ny Filoha Rajoelina
Ny 16 desambra izao no voafaritra fa hanatanterahan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fianianana amin’ny maha Filohan’ny Repoblika vaovao ny tenany, izay hitondra indray an’i Madagasikara mandritra ny dimy taona manaraka. Hatramin’ny omaly dia efa Filoham-pirenena telo no nanamafy ny fiaviany eto Madagasikara hanatrika izany. Tombanan’ny maro fa mbola hisy ireo ho tonga hanampy azy ireo. Tranga azo sokajiana fankatoavana ny fahalanian’i Andry Rajoelina, taorian’ny fifidianana ny 16 novambra lasa teo.
Ankoatra ireo Filoham-pirenena sy ny Filoham-panjakana, ary olona maro manana andraikitra ambony eo amin’ny sehatra iraisampirenena izay nanao fanambarana fiarahabana manokana ny Filoha Andry Rajoelina noho ny fahalaniany indray tamin’ny fifidianana natao teto amintsika, dia efa nisy ihany koa ireo Filoham-pirenena no nanamafy ny fahatongavany eto Madagasikara hanatrika ny lanonan-dehibe handraisana ny fianianan’ny Filoha, ny 16 desambra izao. Ny Filoham-pirenen’i Angola izay sady Filohan’ny SADC am-perinasa, Joao Lourenço, ,ny Filoham-pirenen’i Zimbabwe, Emerson Mnagawa ary ny Filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan, dia samy efa nilaza ny fahavononany ho avy hanotrona ny lanonana amin’ny 16 desambra.
Araka ny angom-baovao hafa, dia tombanana ho avy eto Madagasikara ihany koa ny Filohan’i Comores, izay sady Filoha am-perinasan’ny Vondrona Afrikanina, Azali Assoumani, eo koa ny Filohan’i Sénégal, Macky Sall, ary ny Filohan’i Rwanda, Paul Kagame, izay efa taty rahateo tamin’ny fotoam-pianianan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny 2019. Ary vinavinaina koa ny mety hahatongavan’ny Praiminisitra maorisianina Pravind Kumar Jugnauth. Eo amin’ny lafiny ara-diplomasia dia midika ho fankatoavana ny fahalanian’ny Filoha Rajoelina ny fahatongavana Filoham-panjakana amin’ny andron’ny fianianana.
Hiaina zava-bita lehibe kokoa
Etsy ankilany, mbola mikarara-kompana ihany koa ny teny firariantsoa sy fiarahabana ataon’ireo Filoham-pirenena maro manerantany ho an’ny Filoha Andry Rajoelina taorian’ny famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fandreseny, ny 01 desambra teo. Omaly, ny firenena sinoa indray no nanao fanambarana, tamin’ny alalan’andriamatoa Wang Wenbin, mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Sinoa. “Noraisinay an-tsoratra ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana eto Madagasikara ka miarahaba an’Andriamatoa Andry Rajoelina noho ny nahavoafidy azy indray ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Matoky izahay fa, eo ambany fitarihan’ny Filoha voafidy Rajoelina, dia hiaina zava-bita lehibe kokoa i Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny toe-karena”, hoy ny fanambarana avy amin’ny Chine. Ankoatra azy, dia isan’ireo niarahaba manokana ny Filoha Rajoelina koa ny Mpanjakan’i Maroc, Mohammed VI. Nilaza ho vonona hanamafy ny fiarahamiasa amin’i Andry Rajoelina avokoa ireo.




