PolitikaSongadim-baovaoToekarena

HARENA AZO TSY ARA-DALANA: Vola mitentina 6 miliara Ariary mahery sy fiara 116 nogiazan’ny ARAI

Herintaona mahery izao no tena niasa ny Antokon-draharaha misahana ny fanagejana ireo Harena azo tamin’ny tsy an-drariny (ARAI). Araka ny tatitra nataon’ny Tale Jeneraliny omaly, dia efa vola maherin’ny 6 miliara Ariary sy Fiara 116 no efa nogiazin’ny ARAI vonjimaika hatreto. Misy kosa ny fanatsarana ny paikady ho ampiharina mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa ao anatin’ny 5 taona ho avy.  

Rafitra iray napetraka mba entina hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola, ary ny fananam-panjakana sy ny famotsiam-bola ny Antokon-draharaha misahana ny fanagejana ireo harena azo tamin’ny tsy an-drariny (ARAI), izay nanomboka niasa tamin’ny taona 2022. Raha ny lalàna dia izy ireo no mampihatra ny didim-pitsarana sy manatanteraka ny fanagiazana ireo fananana, ary mampihatra ny lavanty ireo entana nogiazany, na koa manajanona ny fikirakiran’ny tompona kaonty ny vola eny anivon’ireo banky, mba hisorohana izay fanodinkodinam-bola izay. Araka ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny ARAI, Rasoloharimanana Aimé omaly, dia vola mitentina 6 227 581 304 Ariary amina Kaonty any amin’ny banky miisa 501, sy Fiara miisa 116 no efa giazin’ny ARAI amin’izao fotoana. Araka ny fanazavana hatrany dia sokajina tranga efatra no nahazoana ireo vokatra ireo. Voalohany amin’izany ny Kolikoly izay miseho amin’ny endrika maro, toy  ny fanararaotam-pahefana, fanomezana tombon-dahiny amin’ny tsenam-panjakana sy ny sisa. Faharoa ny fanodinkodinambolam-panjakana sy fananam-panjakana izay isan’ny ahitana tranga betsaka indrindra. Ankoatra ireo ny trangana famotsiam-bola, sy ny famatsiam-bolan’ny asa fampihorohoroana.  

Tsara ho marihina fa ireo fiara sy vola any amin’ny banky nogiazan’ny ARAI ireo dia mbola eo am-piandrasana didy raikitra avy amin’ny Fitsarana avokoa. Raha toa noho izany voaporofo ny maha meloka an’ilay olona dia miroso amin’ny fanaovana lavanty ny fitaovana ny ARAI, ary haverina any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola. Raha toa kosa ka tsy meloka ilay voarohirohy, dia averina aminy ny vola sy/na ny fiara.

Fanatsarana paikady

Omaly, nampahafantarin’ny ARAI ny paikady apetraka ao anatin’ny dimy taona mba ho fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana amin’ny Fanjakana ireo harena azo tamin’ny ara-dalàna, na tamin’ny alalan’ny kolikoly.  Isan’ny paikady voalohany amin’izany ny hampiharana manerana ny Nosy ny famerenana amin’ny Fanjakana ny harena azo tsy amin’ny ara-dalàna. Eo koa ny fijerena ny tokony hatao mba hampahomby ny asa satria tsy maintsy ny lalàna foana no hampiharina rehefa misy hetsika atao. Dikany, raha marefo ny lalàna dia tsy maintsy jerena ny hahafahana manova sy manatsara azy mba hahafahan’ny ARAI mahazo vokatra tsaratsara kokoa. Paikady fahatelo napetraka kosa ny fampandraisana anjara ny besinimaro amin’ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna, toy ny fiarahamonim-pirenena, ny tomponandraikitra, ny olom-pirenena rehetra. Tanjona ny mba hirotsahan’ny rehetra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ary koa, vina ny mba hisian’ny tamberina bebe kokoa amin’ny vahoaka ataon’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, ary anisan’izany ny ARAI.

Nisy omaly ny fanaovan-tsonia ireo paikady hampiharina mandritra ny taona, ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna.

Fermer