PolitikaSongadim-baovao

GOVERNEMANTA VAOVAO: Minisitra vonona hanasoa ny vahoaka no hotendrena

Nandritra ny fidinana ifotony nataon’andriamatoa Andry Rajoelina, omaly teto an-drenivohitra no nanambarany fa Minisitra vonona hanasoa ny vahoaka no handrafitra ny Governemanta izay hitsangana afaka herinandro vitsy. Tsy azo ekena, hoy izy, ny Minisitra mikatsaka ny tombontsoany manokana fotsiny, fa tsy mitsinjo ny vahoaka madinika.

Tamin’ny 01 desambra teo, fotoana izay nanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana ka nandresen’andriamatoa Andry Rajoelina, no efa nanambaran’ity farany ny mombamomba ireo Ekipa hiara-dalana aminy mandritra ny fepotoam-piasany manaraka. Notsindriany tamin’izany fa azo everina ny mbola hitazomana ireo tomponandraikitra nahitana fahombiazana teo amin’ny Departemanta nosahaniny, satria tsy mety ny manova ekipa mahomby, hoy izy. Tsy maintsy ovaina olom-baovao kosa ireo izay tsy nahatanteraka tamin’ny antsakany sy andavany ny asany. Izany hoe, azo antoka fa tsy maintsy hisy olom-baovao ao anatin’ny Governemanta izay hitsangana eo.

Omaly, nilaza mason-tsivana vaovao ho an’ireo olona hotendrena Minisitra indray ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany tao anatin’izany fa tsy maintsy midina ifotony manasoa vahoaka izay olona tendrena Minisitra fa tsy mikatsaka tombontsoa manokana. Ho ampitomboina ny tetibolan’ny Minisitra manao tsara ny asany, hoy ny Filoha Rajoelina, raha toa ka esorina amin’ny toerany avy hatrany ireo izay tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy. Ankoatra ny fianianana ataon’ny Filoha dia hanao fianianana amin’ny vahoaka koa ireo Minisitra hotendrena, araka ny fampahafantarana nataon’i Andry Rajoelina omaly. Ny zava-niseho omaly dia efa ohatra velona amin’ny fomba fiasa tokony hampiharin’ireo olona hotendrena Minisitra, dia ny fidinana any ifotony sy any amin’ireo tena marefo.

Politika manome lanja ny sosialy

Tsiahivina fa ny 16 Desambra izao no hotanterahina ny lanonana lehibe handraisana ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidy, Andry Rajoelina. Efa natomboka omaly teny amin’ny boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra kosa ny fizarana hazavana ho an’ny tokantrano marefo, izay fampanantenan’ny Filoha Andry Rajoelina hanamaivanana ny fahasahiranana amin’ny fividianana labozia sy solika fandrehitra. Nisitraka izany ny tao Ampefiloha sy Andranomanalina ary mitohy eny Ankorondrano.

Ho an’ity fe-potoam-piasana manaraka ity dia isan’ny misongadina ao anatin’ny fandaharanasa hotanterahin’ny Filoha Rajoelina voalohany ny fitsinjovana ny vehivavy tsy an’asa sy ny madinika. Hisy karazana fampiofanana homena azy ireo ahafahany mivelona, toy ny zaitra, tao volo, lakozia…, araka ny nambarany. Harahina fampitaovana izany, raha ny fanazavany, mba hampitomboana ny vola miditra isanandro. Hisy koa fitaovana homena ireo tsy manan-kialofana hanatsarana ny trano fonenany. Ankoatra izay, hisy tetikasa hiarahana amin’ny firenena amerikanina hahafahana misitraka tany hiompiana sy hambolena karazam-bokatra ilaina.

“Tsy maintsy hiasa aho mba hanampy sy hanome asa anareo”, hoy hatrany ny filoha. Fanamby apetraka koa, hoy izy, ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Hotsinjovina manokana koa ny vehivavy sy ny marefo ary ny madinika, ary hampiasaina amin’izany ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana.

Fermer