PolitikaSongadim-baovao
LANONAM-PIANIANAN’NY FILOHA : Tsy azo ekena ny fanakorontanana, ho hentitra ny fitandroana ny filaminana
Tsy hilefitra ary handray andraikitra tanteraka amin’izay mety ho endrika fanakorontanana mandritra ny lanonam-pianianan’ny Filoha voafidy amin’ny sabotsy 16 desambra izao ny Mpitandro filaminana, hoy ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, raha nanontanian’ny Mpanao gazety. Notsindriany fa tsy tokony hanala-baraka tena isika Malagasy mandritra io fotoana io satria Filoham-pirenena vahiny maro no ho avy eto.
Tsy nionona tamin’ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny 01 desambra 2023 teo ireo Kandidà Filoham-pirenena miisa 10 tsy lany tamin’ny fifidianana, fa mbola mitohy mitady hevitra handravana an’iny zotram-pifidianana teo iny. Omaly, nanao fanambarana indray izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka ny sabotsy 16 desambra izao. Ambaran’izy ireo fa fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena izany.
Omaly, nanome toky ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard, fa handray andraikitra amin’ny endrika fanakorontanana ny mpitandro filaminana mahakasika io lanonam-pianianan’ny Filoha io. Miantso ny olom-pirenena rehetra hanaraka ny fandaminana sy tsy hanaiky ho voafitaky ny fanakorontanana mety hokononkononin’ny mpanao politika sasany amin’ny fotoan-dehibe hanaovana ny fianianan’ny filoham-pirenena ny sabotsy 16 desambra izao ny filoham-pajakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard omaly. Aleo , hoy izy, tsy hanala baraka ny firenena isika, manoloana ny malagasy manontolo sy ny filoham-pirenena vahiny maro hanatrika ny lanonana. Tsy maintsy handray andraikitra, hoy izy, ny mpitandro filaminana. Efa misy rahateo ny toromarika nomena ireo tomponandrikitra isan-tsokajny isian’ny filaminana sy fitoniana.
Fihaonana
Omaly, noraisin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny lehiben’ny Mariboninahi-pirenena vaovao, izay voatendry ny alarobia lasa teo, ny jeneraly Ranjeva Marcel. Fotoana izay niresahana ny asa miandry. « Olona nianatra, ary mahitsy amin’ny asa ataony ity Voatendry ity. Tsy mba nitsabaka tamin’ny asan’ny mpitandro filaminana amperinasa izy rehefa nisotro ronono », hoy hatrany ny filoham-panjakana. Nambaran’ny jeneraly Ranjeva Marcel kosa fa vonona izy hanao ny andraikiny sy handray anjara hatrany amin’ny fampandrosoana sy fanampiana ny mpiara-belona. Amin’ny maha miaramila, hoy izy, dia « tsy afaka ny hanana lehibe afa-tsy iray ihany, dia ny filoha lanim-bahoaka. »


