PolitikaSongadim-baovao

KOLIKOLY SY FANARARAOTAM-PAHEFANA :  Governora sy ny Mpiara-miasa aminy iray naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly,  ny Governoran’i Betsiboka sy ny Mpiara-miasa aminy akaiky miandraikitra ny Tsenam-baro-panjakana. Fanaovana kolikoly, fanararaotam-pahefana ary fampiasana fitaovam-panjakana ho an’ny tombontsoa manokana no vesatra nanjehana azy.

Tsy misy ambony lalàna !  Nidoboka am-ponja vonjimaika any Antanimora, afakomaly,  ny Governoran’i Betsiboka sy ny Mpiara-miasa aminy akaiky miandraikitra ny Tsenam-baro-panjakana. Fanaovana kolikoly, fanararaotam-pahefana ary fampiasana fitaovam-panjakana ho an’ny tombontsoa manokana no vesatra nanjehana azy ireo. Araka ny loharanom-baovao,  nampanofain’Ingahy Governoran’ny Faritra Betsiboka, tamina teratany sinoa mpanao fitrandrahana volamena an-tsokosoko ny « engins » ny Faritra, izay nomen’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina tokony hanamboaran-dalana. Raha ny fanadihadiana, nokaramain’Ingahy Governora 2 tapitrisa Ar isam-bolana ny mpamilin’ilay « engins » an’ny Faritra Betsiboka hampiasaina amin’ny fitrandrahana volamena miaraka amin’ireo Sinoa. Tiana ny manamarika fa teratany sinoa ampolony no sarona tany amin’ny Reniranon’i Kamoro, taorian’ny fitarainana voarain’ny Minisitera misahana ny Harena an-kibon’ny tany, momba ny fitrandrahana volamena mandeha ao amin’ny reniranon’i Kamoro, ao amin’ny Kaominina Marokoro, Distrikan’i Maevatanàna, herinandro vitsy lasa izay.

Vokatry ny fitarainana…

Manoloana io fitrandrahana an-tsokosoko nataona teratany sinoa ireo, dia tonga nidina ifotony tany ny delegasionina avy amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika foibe, ny Fitaleavana iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga sy BAM Maevatanàna. Voamarina tamin’ny fidinana ifotony fa misy tokoa izany fitrandrahana an-tsokosoko izany, mampiasa fitaovana arifomba. tsy nahazoana alalana. Teratany vahiny ampolony, raha ny marina kokoa, teratany sinoa no tratra tao an-toerana. Nohamafisin’ny teo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra fa harem-pirenena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany. Noho izany, tsy azo ekena ny fandrobàna sy ny fandikan-dalàna misesisesy amina fitrandrahana tsy ara-dalàna tahaka izao. Nanao ny anjara andraikitra tandrify azy ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, tamin’ny alalan’ireo Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany na ny « Police des Mines ». Tafiditra amin’izany ny fisamborana ireo hanaovana famotorana sy ny fampitana ny fitanana an-tsoratra, mba hahafahan’ireo ambaratonga mifanandrify mandray ny andraikitra sy fepetra manoloana ny zava-misy.

Raha ny mahakasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any ambanivotr’i Marokoro manokana, tsara ny manamarika fa tsy vao voalohany no naharaisana fitarainana sy nidinana tany an-toerana, ary nandray ny andraikitra manandrify azy hatrany ny Minisitera, tao Tsiandrarafa, tao Antsira ary Madisovato izay samy ao anatin’ny kaominina ambanivotr’i Marokoro avokoa. Na dia nisy aza anefa ireo voasambotra sy voatazona am-ponja dia mbola misy ireo manao fitrandrahana volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro izay manana halava miitatra hatrany amin’ny 10 kilaometatra.

Ny Fanoratana

Fermer