PolitikaSongadim-baovao

LANONAM-PIANIANAN’NY FILOHA VAOVAO: Tsy azo ekena ny hetsika politika,  hamafisina ny fiambenana ireo toerana saropady

Tsy hisy hevitra fa horaisim-potsiny eo izay hinia hanakorontana amin’ny lafiny rehetra mandritra ny lanonam-pianianan’ny Filoha vaovao voafidim-bahoaka, izay hatao ny sabotsy 16 desambra 2023 ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hiasa tontolo andro ny Mpitandro filaminana, ary tsy ho avela amin’izao fa ambenana ireo toerana saropady rehetra eto an-dRenivohitra…

Tsy maintsy hotanteraka anaty filaminana ny lanonam-pianianan’ny Filoha vaovao nofinidim-bahoaka nandritra ny fifidianana farany teo, dia ny Filoha Andry Rajoelina. Ankoatra ny fampitana am-bava efa nataon’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, Jeneraly Ravalomanana Richard, dia nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo, Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa efa vonona efa hatramin’ny ela mikasika io fampandriana fahalemana mandritra ny lanonam-pianianan’ny Filoha io ny Mpitandro filaminana isan-tsokajiny. Efa maty paika, araka izany, raha ny fitandroana ny filaminana mandritra io fotoana io, raha tsy hilaza, afa-tsy ny ho fiavian’ireo vahiny tompon’andraiki-panjakana samihafa avy any ivelany hanatrika io lanonam-panjakana manetriketrika io. Nambaran’ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo, fa hiasa tontolo andro mandra-pahavitan’ny fianianana ny Mpitandro filaminana, ankoatra ny asa fampandriana fahalemana andavanandro sahanin’izy ireo. Ankoatra izay dia tsy maintsy mametraka fahamailoana manoloana ny mety hisian’ny ambana tampoka ataon’ny sasany ihany koa ny Mpitandro filaminana, dia ny tsy maintsy hiambenana ireo toerana atahorana rehetra. “Anisany tsy maintsy atao tsara ambina amin’izany ny tobin-tsolika, tobin’ny Jirama, barazy maro toa an’i Tsiazompaniry, izay ambenana manokana noho ny mety hisian’ny sabotazy hiseho eto Antananarivo mandritra io fotoana io”, raha ny fanampim-panazavana. Mandritra ny andron’ny 16 desambra io dia nambaran’ny Prefektiora, fa tsy azo ekena ny hetsika politika rehetra mandra-pahavitan’ny fianianana, saingy hitohy hatrany izany amin’izao ankatoky ny fety izao, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra.

Fahatapahan-dalana

Amin’ny 10 ora maraina no hanomboka ny lanonam-panjakana, raha toa ka amin’ny 06 ora dia efa hisokatra ny vavahady. Midika izany fa olona maro no hifamezivezy eny amin’ny manodidina ny Kianjan’ny Barea Mahamasina eny, toerana hanaovana ny fianianana, amin’io sabotsy io. Noho izany dia tsy maintsy hisy ny fepetra raisina entina handrindrana io lafiny fifamoivoizana io, hoy ny avy eo anivon’ny fitaleavana misahana ny fitaterana ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tafiditra ao anatin’izany fepetra izany ny hisian’ny fanapahan-dalana amin’ny toerana vitsivitsy, noho ny fiomanana amin’ny fandaminana sy ny fandrindrana ny toerana hanaovana ny fianianana. Isan’ireo lalana ahitana fahatapahana, raha ny angom-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Prefektioran’Antananarivo, ny eny Tsimbazaza hihazo an’i Mahamasina ary ny avy eny Analakely mipaka hatrany Mahamasina hatrany. Vokatr’ireo fanapahana ampahan-dalana ireo, azo antoka ny hisian’ny fitohanana ka nambaran’ny talen’ny fitaterana ao amin’ny CUA, ny Commissaire Ainanirina Albert Estel fa “ny tanànan’Antananarivo dia mampandre antsika mponina sy ny olona rehetra izay hisitraka izany fotoana izany, mba handray fepetra mialoha sahady amin’ny mety hisian’ny fitohanana amin’io andro io”. Aorian’ny fandaminana rehetra avy amin’ireo tompon’andraikitra dia ampahafantarina mazava tsara amin’ny mponin’Antananarivo izay lamina mahakasika ny fandrindrana ny fifamoivoizana amin’ny sabotsy ho avy io izay. “Alefa mialoha izao fampandrenesana izao mba hahafahana mihomana. Mbola ho avy tsy ho ela kosa ny antsipirihany mahakasika ny fanapahan-dalana”, hoy hatrany ny fanazavana.

Stan R. sy Sarobidy Sidonie.

Fermer