Songadim-baovao
TSINJO FAMENO CNAPS: Mpiasa tsy miankina 35 000 no efa nisoratra anarana
Manamora hatrany ny fisitrahan'ireo mpiasa sy mpampiasa mpikambana ao aminy ny Cnaps. Anisan'izany ny fisitrahan'izy ireo ny "Tsinjo fameno" efa mandeha ankehitriny io, ka afaka raisin'izy ireo amin'ny alalan'ny "Orange money", hanamora ny fivezivezena sy hisorohana ny fiparitahan'ny valanaretina. Maro koa ireo tolotra no afaka sitrahan'izy ireo amin'ny alalan'izany tolotra vaovao izany.
Efa mandeha tsikelikely amin’izao fotoana ny fitsinjarana ilay fampindramam-bola “Tsinjo fameno” tsy misy zana-bola, ataon’ny eo anivon’ny Cnaps, araka ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena. Ho fanenana ny vesatr’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, noho ny fahasahiranan’ireo orinasa tamin’ity “Hamehana ara-pahasalamana” ity, izay nisy fiantraikany tamin’izy ireo, no anton’izao, raha tsiahivina. Mpiasa manodidina ny 35 000 eo amin’izao fotoana no fantatra fa efa nisoratra anarana tamin’izany, ary mpiasa amin’ny sehatry ny indostria no maro an’isa amin’izy ireo, raha ny fanambaran’ny Tale jeneraliny Rakotondraibe Mamy, omaly. Fantatra koa fa ny 24%-n’ny teti-bola ampiasaina amin’io hetsika fitsinjovana ny tsy miankina io, no efa ampiasaina hotsinjaraina amin’ireo mpiasa efa fantatra fa hiditra amin’izany. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity, fa “efa nisy tamin’ireo mpiasa ireo no efa nisitraka izany, raha hitohy amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, ny fitsinjarana tsy miato”. Mbola manana hatramin’ny faran’ny volana septambra ho avy izao kosa, ireo mpiasa mbola maniry ny hisitraka io fampindramam-bola io, raha tsiahivina. Eo amin’ny fomba handraisan’ireo mpisitraka ny vola indramina indray, dia amin’ny alalan’ny kaonty banky, na amin’ny alalan’ny kaonty paositra, ary kaontim-bola findainy. Eo amin’ity fomba fahazoana vola farany ity, dia nisy ny fiaraha-miasan’ny Cnaps amin’ny orinasa Orange Madagascar, amin’ny alalan’ilay tolotra “Orange money”, hahafahan’ireo mpiasa mandray vola mivantana, hanamorana ny fivezivezena, ary indrindra ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana mbola manan-kery. Mitohy hatrany kosa ny fanatsarana ireo tolotra ataon’ny Cnaps ho an’ny mpiasa sy mpampiasa, amin’ny alalan’io fiaraha-miasa io. “Hilatsaka amin’ny kaonty finday avokoa ny volan-jaza, ny fisotroan-dronono, ho an’ireo mpiasa. Fa afaka mandoa ny latsakemboka avy amin’izany koa, ireo mpampiasa rehetra, afaka 10 andro, taorian’izao fifanarahana izao”, hoy ny Talem-pifandraisana eo anivon’ny Cnaps, Ratsimbarison Alain.



