PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA: Distrika 40 mahery nahazo milina fanodinana vokatra tato anatin’ny herintaona

Tafiditra indrindra tao anatin’ny Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tao anatin’ny 5 taona voalohany nitantanany ny firenena ny fampiroboroboana ny Indostria. Ho fanatanterahana izany indrindra ny fametrahana ozinina isaky ny distrika nataon’ny ministra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany. Naverimberin’ny filoha voafidy Andry Rajoelina foana ny tsy maintsy hamokarana ireo zavatra rehetra ilain’ny mponina eto Madagasikara ihany, izany hoe ny mba tsy hanafarana intsony.

Milina fanodinana tantely, milina fanodinana voanjo ho lasa menaka, milina fikarakarana kafe, milina fanodinana ronono ho lasa Yaourt na Fromage, milina fanamboarana chips, milina fanodinana paoma ahazoana cidre, milina fanodinana voatabia, milina fanamboarana savony, ampahany tamin’ireo milina naterin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana (MICC), nanerana ny Nosy ireo. Tao anatin’ny 10 volana , izany hoe nanomboka ny volana Janoary 2023 hatramin’ny volana Novambra 2023, distrika miisa 40 mahery no nametrahan’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria ny varotra ary ny fanjifana milina fanodinana vokatra ao anatin’ny tetikasa “ODOF na One district One Factory” na distrika iray, ozinina iray. Raha io antontan’isa io, isam-bolana ny ministra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany dia nahavita nametraka milina miisa 4 amina distrika 4 samihafa. Notsindrian’ny Minisitra tomponandraikitra fa Orinasa eny ifotony ny taniketsa Indostrialy . Orinasa natao hanatsara ny fiainan’ny tantsaha sy ny koperativa ary fanamby napetrany ny tsy maintsy hisian’ny ozinina isaky ny distrika rehetra. Olona an’anarivony isaky ny ozinina napetraka no nahazo tombony mivantana na ankolaka tao anatin’ity tetikasa ODOF ity.

Mamorona asa

Isaky ny milina naterina teny anivon’ny distrika, olona maherin’ny 1000 no nahazo asa mivantana na ankolaka. Ohatra iray mivaingana tamin’izany ny tao Ambatondrazaka izay nametrahana milina fanodinana voatabia. Araky ny fijorona vavolombelona nataon’ireo tantsaha sy koperativa, tsy simba simba fahatany fotsiny ny vokatr’izy ireo fa mba misy mandray. Nitombo ny fidiram-bola ary mba afaka nanangan-javatra.

Ato anatin’ny 5 taona manaraka, mbola ho tohizana izay fampiroboroboana ny Indostria izay noho ny fahitana ny fahombiazany, hoy ny filoha voafidy Andry Rajoelina nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety nandritra ny lanonana famoahana ny vokatra ofisialy ny fifidianana teny anivon’ny HCC. Ao anatin’ny laharam-pahamehana ny « Industrialisation ».

ANKADINONDRY SAKAY: Tafapetraka  ny milina fanodinana voanjo ho lasa menaka

Ny faran’ny herinandro teo, nitohy ny asa ho an’ny minisitra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany amin’ny fametrahana milina fanodinana vokatra eny anivon’ny distrika. Ny Sabotsy 9 Decembre 2023 maraina, dia napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao Akadinondry Sakay ny milina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka. Hatramin’izay, anisan’ny olana ho an’ireo mpamboly voanjo sy mpandraharaha tao Akadinondry sakay ny tsy fananana milina afaka nanodinana ny vokatra izay. Natao tanana ny menaka, ratsy ny kalitao, tsy naharaka ihany koa ny famokarana. Noho ny fahatongavan’ity milina ao anatin’ny tetikasa ODOF ity, menaboanjo 200 litatra isan’andro no mivoaka ao amin’ny ozinina fanodinana voanjo ao Akadinondry sakay. Menaka madio, tsy misy fofona ary tsara kalitao kokoa noho ny menaboanjo toto tanana. Haingana kokoa no sady mitombo ny famokarana hany ka mitombo koa ny mpanjifa. Nambaran’i ramatoa Nomenjanahary Tatianne mpitantana ny taniketsa Indostrialy Akadinondry Sakay fa tian’ny olona kokoa ilay menaka ahodina amin’ny milina. Ny ao Akadinondry sakay, Tsiroanomandidy, Ampefy ary Soavinandriana no manjifa ny vokatra vokaran’izy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola hitombo anefa io vokatra io ka tanjona ny ahafahana mamatsy ireo tanana manodidina hafa sy ny eto Antananarivo. Ankoatra ireo mpandraharaha miasa, mampiodina ny milina, anisan’ny nahita tombony mivantana ihany koa ireo mpamboly voanjo avy any amin’ny commune Bemahatazana, Mahasolo ary ny ao Akadinondry Sakay. Tena fanampiana ny tantsaha, fampiroborboana sy fanatsarana ny ara-toekarena ary miantraika amin’ny sosialin’ny isan-tokantrano avy hatrany ity taninketsa indostrialy ity hoy ny ministra Edgard Razafindravahy. Notsindriny fa tena Indostria ireo napetraka ireo, satria indostria ho tantanan’ny vahoaka,. Notsiahiviny teto ny hafatry ny filoha voafidy Andry Rajoelina ny mba hisian’ny ozinina isaky ny tanana.

Raha ho an’ny ao Akadinondry Sakay , ny koperativa Soa iombonana no mitantana azy. Efa mihatra rahateo ny lalana momba ny koperativa izay mametra ny koperativa ho lasa orinasa kaoperativa, fanorenana eny ifotony ahafahan’ny tantsaha mamelon-tena.

Fermer