KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

TAOLAM-BALO TAVELA ANY FRANTSA: Nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena frantsay ny hampodiana izany

Nandritra ny fe-potoam-piasana voalohan’ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron, no nanambarany fa ho averina an-tanindrazany avokoa ireo taolam-balo nalain’ny frantsay fahiny nandritra ny fotoan’ny fanjanahantany. Nisy fandinihana natao taorian’izay, araka ny toromarika nomen’ny Filoha Macron, nijerena ireo singa ara-kolontsaina mbola taraiky any Frantsa kanefa an’ny afrikanina na an’ny firenen-kafa. Taorian’izay dia nangataka ny azy avokoa ireo firenen-kafa manana ny singa ara-kolonsaina ao Frantsa. Isan’izany i Madagasikara tamin’ny fangatahana ireny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka ireny, sy lisitra maromaro. Tsara tsindriana fa tsy dingana tsotra ny famerenana ireo singa ara-kolontsana ireo satria efa lasa fananan’ny Frantsay. Dikany, tsy maintsy lalàna lanian’ny Parlemantera ny mandany amin’izany.

Tamin’ny ankapobeny anefa dia olana no niseho tamin’izay resaka fampodiana izay noho io resaka lalàna io. Raha toa mantsy, ohatra, ny firenena iray maniry ny hampody an-tanindrazana taolam-balo iray tavela any Frantsa, dia tsy maintsy misy manao tolo-dalàna eo anivon’ny Parlemantera frantsay mangataka ny fampodiana izany, ary lanian’ny maro an’isa vao azo tanterahina. Raha firenena maromaro, noho izany, no manao fangatahana dia tsy maintsy tolo-dalàna maromaro ihany koa no dinihin’ny parlemantera frantsay. Teo anatrehan’izany, nanapa-kevitra ny frantsay ny anao Tolo-dalàna iray lehibe mitokana mihitsy ny mahakasika ny fampodiana ireo taolam-balo tavela ao Frantsa. Efa neken’ny Antenimierandoholona izy io, saingy nisy fanitsiana. Ary nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena ihany koa, saingy mbola nasiam-panitsiana ihany. Ho setrin’izany dia nananganana Vaomiera iombonana izy ireo handinika ny tolo-dalàna, izay dingana fanao eo anivon’ny parlemantera any frantsa. Araka izany, nahavita tolo-dalàna itambarana ny Solombavambahoaka sy ny Loholona frantsay, izay nandalo tao amin’ny Antenimieram-pirenena tany an-toerana ny talata 12 desambra teo, ary lany soa aman-tsara tsy nisy nitsipaka. Araka ny angom-baovao dia mbola handeha ho any amin’ny Antenimierandoholona frantsay io tolo-dalàna io amin’ny herinandro ho avy.

Kabeson’ny Mpanjaka Toera

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy dia efa namoaka taratasy fiarahabana manokana ny Antenimieram-pirenena frantsay tamin’ny fandaniana ity tolo-dalàna ity. Satria dingana goavana izany amin’ny famerenana an-tanindrazana ireo taolam-balo afrikanina mbola tavela any Frantsa. Ho an’i Madagasikara manokana dia manana ny kabeson’ny Mpanjaka toera isika tavela ao amin’ny Musée de l’Homme ao Paris, izay efa nangatahina nanomboka ny novambra 2020. Nanomboka tamin’io daty io dia napetraky ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fikarakarana ny dingana fampodiana azy an-tanindrazana any anivon’ny Fanjakana frantsay. Dingana maro no efa nataon’ny Minisitera nanomboka io 2020 io, toy ny fandehanana tany amin’ny Museum national d’Histoire naturelle niresaka tamin’ny Minisitra Roselyne Bachelot, sy ireo tomponandraiki-panjakana ambony maro. Hatramina fanadihadiana siantifika fanamarinana maha karandohan’ny Mpanjaka Toera ilay Kabeso dia efa natao ihany koa. Tamin’ity taona ity koa dia efa niresaka tamin’ny Minisitry ny Kolontsaina vaovao any Frantsa, Rima Abdul Malak, ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy amin’ny fampodiana an-tanindrazana ity kabeso ity. Mitondra fanantenana vaovao amin’ny fahafaha-mampody an-tanindrazana ity taolam-balo malagasy tavela any Frantsa ity indray araka izany, ny fahalanian’ity tolo-dalàna ity.  

Fermer