PolitikaSongadim-baovao
FIANIANAN’NY FILOHA RAJOELINA: Tonga ireo vahiny manan-kaja, vahoaka analiny no andrasana
Amin’ny 6ora maraina dia efa misokatra ny vavahady eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso mandritra ny lanonan-dehibe handraisana ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidy, Andry Rajoelina. Nandritra ny tontolo andron’ny omaly dia efa nanao sesilany fahatongavan’ireo Filoham-panjakana sy vahiny manan-kaja hanatrika ity fotoan-dehibe ity eto Madagasikara. Hentitra mifanaraka amin’izany ihany koa ny fandaminana sy ny fitandroana ny filaminana.
Vahoaka analiny no andrasana ho avy mandritra ny lanonam-pianianan’ny Filohan’ny Repoblika voafidy Andry Rajoelina, rahampitso 16 desambra 2023. Amin’ny 6ora maraina no hisokatra ny vavahadin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fandaminana. Ary ho tapaka tsy azon’ny fiara hivezivezena ireo lalana manodidina ny Mahamasina amin’io andro rahampitso io. Hizara roa mazava tsara ny lanonana. Voalohany amin’izany ny fotoam-pitsarana izay hatao ny tapany maraina, arahin’ny fianianana ataon’ny Filoha voafidy. Aorian’izay no ametrahana ireo mariboninahitra amin’ny maha Filohan’ny Repoblika azy. Hisy ny kabary voalohany hataon’ny Filoham-pirenena taorian’ny naha voafidy azy. Amin’io koa no ilazany ny vina ao anatin’ny dimy taona manaraka. Aorian’izay dia miroso amin’ny lanonana ara-miaramila amin’ny maha lehibe Filoha faratampon’ny foloalindahy ny Filoham-pirenena.
Rehefa vita izany dia hisitaka ny Filoha sy ireo vahiny manan-kaja. Ny tapany ariva dia hiverina hiara-paly amin’ny vahoaka malagasy indray ny Filohan’ny Repoblika, iarahana amin’ireo mpanakanto maro.
Vahiny mana-kaja
Nandritra ny tontolo andron’ny omaly dia efa nisesisesy ny fahatongavan’ireo vahiny manan-kaja maro avy amin’ireo firenen-tsamihafa ho avy hanotrona ity fotoan-dehibe rahampitso ity. Isan’ireo notsenain’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Ivato omaly ny Lefitry ny Filohan’ny Komitim-pirenena faha-14 n’ny « Conférence Consultative Politique du Peuple Chinois », Andriamatoa Hu Chunhua, izay iraka manokan’ny Filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping. Nanotrona ny Praiminisitra teny an-toerana Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy izay iraka manokan’ny Filoham-pirenena ihany koa.
Tonga eto Madagasikara ihany koa ny Filoham-pirenena Maorisiana, Andriamatoa Prithvirajsing Roopun. Isan’ireo Filoham-panjakana hanatrika ny fihanianan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny Sabotsy ho avy izao ny tenany. Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian no nitsena ireo delegasiona niaraka taminy. Hita teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. Ankoatra ireo dia isan’ny tonga omaly koa ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Côte d’Ivoire, ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina.
Marihina fa mbola vahiny manan-kaja maro hafa no andrasana amin’ity anio ity. Araka ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, dia isan’ireo ho avy eto Madagasikara ihany koa ny Filohan’ny vondrona Afrikana izay sady Filohan’ny kaomoro, ny Filohan’ny SADC sady Filohan’ny Angola , ny Filohan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD). Andrasana ihany koa ny fahatongavan’ny Filoham-pirenen’i Mozambika, ny Filoham-pirenen’i Zimbabwé, Filohan’i Guinée-Bissau sy ireo delegasiona avy amin’ny Firenena maro hatrany Eoropa sy Etazonia.



