SamihafaSongadim-baovaoSosialy
MORAMANGA : Tokantrano 8731 hisitraka « Vatsy Tsinjo »
Nanatanteraka fidinana ifotony tao Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ny Filoha Rajoelina Andry omaly. Olona miisa 178 no voan’ny covid-19 tao Moramanga ary noho ny ezaka nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana dia iray sisa no marary tsaboina ao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana ary efatra no mbola haraha-maso any an-tranony. Na izany aza, nisy fiantraikany betsaka tamin’ny mponina tao an-toerana ireo fepetra noraisana ho fiarovana ny fiparitahan’ny Covid-19. Eo anatrehan’izany, ho fifampitsinjovana sy fifanomezan-tanana, natomboka amin’ny fomba ofisialy tao Moramanga omaly ny fizarana ny Vatsy Tsinjo. Amin’izao fanombohana izao dia tokantrano miisa 1300 avy amin’ny fokontany 13 eto amin’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga no nisitraka ny Vatsy Tsinjo ary miisa 8731 ny fitambaran’ny tokantrano hahazo izany. Natomboka teto Moramanga ihany koa ny fizarana Tosika Fameno hiarahana amin’ny BOA sy ny Caisse d’épargne de Madagascar ka tokantrano miisa 5711 no nisitraka izany teto Moramanga. Tsy hadinon’ny Filoha Rajoelina Andry ihany koa ny nitsidika ny CHRD Moramanga izay notolorana fanafody isan-karazany sy fitaovam-pitsaboana toy ny « concentrateurs d’oxygène » ary indrindra ireo tambin-karama ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ao an-toerana. Nankasitraka sy nankahery ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ny Filoha tamin’ny ady nataon’izy ireo amin’ny valanaretina Covid-19.




