Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

INTERNATIONAL LIBERAL: Miantso ny Malagasy ho ao an-damosin’ny Filoha voafidy

Ara-pomba demokratika ny fifidianana Filoham-pirenena natao teto Madagasikara ny 16 Novambra lasa teo, araka ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny “International Libéral”, Ramatoa Hakima El Haité. Ity rafitra ity rahateo izay isan’ireo nanao fanarahamaso ny fifidianana. Nohamafisiny fa samy nahita ireo mpanara-maso rehetra avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa nangarahara, nadio tsy nisy hosoka iny fifidianana iny. Zava-dehibe, hoy ity mpitarika ny International Libéral ity, ny nahitana mpirotsaka ho fidiana niisa 13. Endriky ny fisian’ny demokrasia izany, hoy izy. Nomarihiny fa raha nisy aza ny fanakianana nataon’ny Kandidà hafa sasantsasany dia tokony ho tany alohan’ny zotram-pifidianana izany no nataon’izy ireo, fa tsy taty aoriana na antenantenany. “Mendrika hanan-jo hiaina am-pilaminana sy ho amin’ny fampandrosoana amin’izay, hoy izy, ny vahoaka malagasy ary niantso ny vahoaka malagasy izy, mba ho ao an-damosin’ny Filoha voafidy ho fampandrosoana an’i Madagasikara”.

Tsara ho fantatra fa mitarika delegasiona hanatrika ny lanonam-pianianan’ny Filoha Andry Rajoelina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Filohan’ny International Libéral, Ramatoa Hakima El Haité. Ahitana Depiote miisa fito ao anatin’ity delegasion’ny International Libéral ity, miaraka amin’ny Ministry ny fiarovam-pirenena sénégalais. Mifandraika indrindra tamin’ny asa nataon’ny International Libéral tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana Filoham-pirenena teto Madagasikara farany teo izao fanatrehan’ny solontenan’izy ireo ny fianianana ataon’ny filoha voafidy Andry Rajoelina izao.

Praiminisitra sy Filoham-panjakana maro

Etsy ankilany, nanao sesilany ny fahatongavan’ireo vahiny  manan-kaja hanatrika ny lanonana anio etsy Mahamasina. Isan’ireo efa eto amintsika ny Filohan’ny Repoblikan’i Mozambique, Andriamatoa Filipe Jacinto Nyusi, ny Filohan’ny Repoblikan’i Zimbabwe, Andriamatoa Emmerson Mnangagwa, ny Filohan’ny Repoblika iombonan’ireo Nosy Comores, Andriamatoa Azali Assoumani, ny Filohan’ny Repoblikan’i Guinée Bissau, Umaro Sissoco Embaló, ny Filoham-pirenena Maorisiana, Andriamatoa Prithvirajsing Roopun, ny Praiminisitry ny Repoblikan’i Tanzanie, Andriamatoa Kassim Majaliwa, ny Praiminisitry ny Repoblikan’i Rwanda, Dr Edouard Ngirente. Isan’ireo efa notsenain’ny Praiministra Ntsay Christian ihany koa ny lefitry ny Filohan’ny Komitim-pirenena faha-14 n’ny « Conférence Consultative Politique du Peuple Chinois », Andriamatoa Hu Chunhua, izay iraka manokan’ny Filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping. Ankoatra izay, tonga eto amintsika ihany koa ny filohan’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana, Dr Akinwumi Adesina.

LR.

Fermer