PolitikaSongadim-baovao

HARENA AZO TAMIN’NY TSY ARA-DALANA: Vola mitentina 106 200 000Ar azo tamin’ireo fiara 11 natao lavanty

Niroso tamin’ny fanaovana lavanty ireo fiara miisa 11 nogiazina teo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny famerenana amin’ny Fanjakana ireo Harena azo tsy ara-dalàna (ARAI) ireo tomponandraikitra omaly. Tsy mbola nahazoana didy raikitra ny momba ny tompon’ireo fiara ireo, saingy ho fitandroana ny sandany tsy ho very amin’ny resaka fahasimbana dia nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fitsarana ny nanaovana lavanty azy ireo. 

Fiara miisa 11 azo tamin’ny trangana kolikoly sy fanodikodinam-bolam-panjakana ary famotsiambola no natao lavanty ampahibemaso omaly teny amin’ny foiben’ny Antokon-draharaha misahana ny famerenana ireo Harena tsy ara-dalàna (Arai). Araka ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Arai, Aimée Rasoloharimanana, dia mbola tsy nahazoana didy raikitra ny momba ny tompon’ireto fiara ireto. Izany hoe, mbola fanagiazana vonjimaika ihany no natao. Nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fitsarana anefa, hoy izy, ny fanaovana lavanty ireo fiara ireo satria mety ho simba ireo mandrapahavitan’ny raharaham-pitsarana maha voasaringotra izay voarohirohy. Ity farany izay manan-jo ampakatra hatrany amin’izay didim-pitsarana mivoaka eo, ka mampihitra ny fivoahan’ny didy raikitra.

Rehefa mivoaka kosa anefa ny Didy farany, ka voamarina fa tsy meloka ohatra ilay olona, dia averina aminy ny sandan’ireo fiarany natao lavanty. Raha toa kosa ka voamarina fa meloka ilay olona, dia mirotsaka avy hatrany any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola. Izany rahateo no tanjona, hoy ny Tale jeneralin’ny Arai, dia ny hamerenana ireo Harena tsy ara-dalàna any anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Marihina fa ny lavanty natao omaly dia mitovy amin’ny lavanty rehetra ihany. Izany hoe, izay olona mahazo an’ilay fananana dia lasa tompony tanteraka. Araka ny angom-baovao dia nanomboka teo amin’ny  422 000Ar, ka hatramin’ny 13 066 000Ar ny sandambidin’ireo fiara ireo. Ka raha ny tarehimarika farany voarainay dia nanodidina ny 106 200 000Ar ny vola azo tamin’ireo fiara 11 ireo. Tsara ho fantatra fa amin’ny 22 desambra ho avy izao dia mbola hisy koa ny lavanty hotanterahina ny Toamasina, izay ahitana fiara miisa 17. Tsiahivina fa manodidina ny 501 eo ireo kaonty any amin’ny Banky giazin’ny Arai ankehitriny, miaraka amin’ny vola maherin’ny 6,2 miliara Ariary, ankoatra ireo entana an-tokantrano isankarazany.

Fermer