PolitikaSongadim-baovao
RN 44, “LAKE VILLAGE”, HAVORIA, KIANJAN’NY HIRAGASY…: Fotodrafitrasa goavana maro no vita ny taona 2023
Nampiavaka ity taona 2023 ity ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa goavana maro izay natomboky ny Fitondrana Rajoelina tato anatin’ny dimy taona farany. Tafiditra ao anatin’izany ny lalam-pirenena faha-44 sy ny lalam-pirenena faha-9. Eo koa fahavitan’ireo trano lehibe misy rihana efatra etsy Ivato, ny Mozean’ny Haino aman-jery “Havoria”, ary ny Kianjan’ny Hiragasy ho an’ny sehatry ny Kolontsaina.
Saika tamin’ity taona 2023 ity avokoa no vita ireo fotodrafitrasa goavana izay nanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina fanamby tany amin’ny dimy taona lasa. Isan’ny goavana indrindra amin’ireny ny RN44. Notanterahin’ny Filoha Andry Rajoelina tokoa mantsy ny velirano sy fanamby momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, Moramanga mampitohy an’Ambatondrazaka. Maro ireo tsy nino, nisy mihitsy aza ireo nisompatra. Tsy nampihemotra izany ary ankehitriny ilay lalan-tsarotra taloha dia lasa lalana tsara indrindra eto Madagasikara, hoy izy nandritra ny kabariny nandritra ny fitokanana ny lalana. Toy izany ihany koa ny nahavitana ny lalam-pirenena faha-9 anelanelan’Analamisampy sy Bevoay, ary Bevoay hatrany Manja, izay mamaha ny ampahany betsaka amin’ny olan’ny mponina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny.
Tetsy ankilany, fanamby napetraky ny Fitondrana notarihin’andriamatoa Andry Rajoelina ny hisitrahan’ny tokantrano Malagasy trano fonenana mendrika ary notanterahina izany tamin’ny alalan’ireo tetikasa fanorenana rehetra manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) sy ny rantsamangaikany ANALOGH. Ny volana septambra tamin’ity taona ity kosa no notokanana teny Ivato ireo Building mora miisa 9, ary nomena ny anarana hoe “Lake Village”. Tsara ho fantatra fa tany amin’ny fotoan’ny repoblika voalohany no nisy fanamboarana building farany teto Madagasikara, isan’izany ny Cité Ampefiloha, 67ha, Ambohipo, ary ny Cité Analamahitsy. Taratry ny fandrosoan’ny firenena ny fametrahana fotodrafitrasa manarapenitra. Ary mendrika ipetraka amin’ny fotodrafitrasa manarapenitra ny Malagasy, antony nametrahana ny building mora, araka ny fanazavana. « Ankoatry ny fitokanana trano dia fanehoana ny fananana vina sy fanatanterahana izay nolazaina no nataontsika » hoy ny Filoham-pirenena raha nitokana ireo immeubles na building mora Lake Village Ivato.
Nahazo tombony ny sehatry ny Kolontsaina
Ankoatra izay, teo amin’ny lafiny serasera sy ny Kolontsaina indray dia tafapetraka etsy Anosy tamin’ity taona ity ny fotodrafitrasa moderina anomezan-danja ny vakoka sy tantara ary tahirin’ny haino amanjerim-pirenena, dia ny Havoria. Mandrafitra azy ny Mozea mirakitra ny tantaran’ny haino amanjerim-panjakana sy ireo nisava làlana izany, ampirantiana ihany koa ny tahirim-pitaovana nampiasain’ny ORTM hatramin’ny niforonany, ka ny ampahany amin’ny fitaovana aranty dia avy amina tsara sitrapo namaly ny antson’ny Minisitera. Eo koa ny « Auditorium » izay efitrano lehibe fanaovana fampisehoana mahazaka olona hatramin’ny 650, tsara toerana ka afaka jifain’ireo te hikarakara lanonana sy fampisehoana, no sady ho ampiasain’ny TVM hamokarana fandaharana mivantana ihany koa. Misy koà ny trano fisakafoanana sy birao isan-karazany ho an’ny mpanakanto sy mpanao gazety. Ary efitrano maro fampirantiana sy fivoriana ary fampiofanana. Ny Havoria dia miorina eo amin’ny toeran’ny Radiom-pirenena RNM teo aloha izay may sy potika tanteraka ny 21 janoary 2009. Naorina indray tamin’ny 27 oktobra 2021 ary izao notokanana ny 08 Septambra 2023 izao.
Tetsy ankilany, ny Fitondrana notarihin’ny Filoha Rajoelina koa no voalohany nanangana kianja hanomezana sehatra ny mpanao hiragasy, izay notokanana tamin’ity taona 2023 ity. Mahazaka mpijery 700 ny toerana. Anisan’ny zavakanto nanamarika ny tantara ary indrindra anisan’ny manamarika ny maha-malagasy ny hiragasy ka rariny sy hitsiny raha omena ny toerana sahaza azy izany hiragasy izany, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Manomboka izao dia hisy fampisehoana eto amin’ity kianja vaovao natokana ho an’ity zavakanto anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ity isaky ny alahady.
Ampahany ihany ireo voalaza ireo fa maro fotodrafitrasa lehibe vita sy notokanana tamin’ity taona ity nanerana ny Nosy, raha tsy hilaza afatsy ireo sekoly manarapenitra maro sy CSB ary Lapan’ny Fitsarana izay isan’ireo fotodrafitrasa manakaiky vahoaka.


