PolitikaSongadim-baovao
HALATRA TANY SY KOLIKOLY AVO LENTA: Tomponandraiki-panjakana ambony roa hiakatra fampanoavana anio
Hentitra ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny famongorana ireo Tambazotra mpangalatra tany eto amin’ny firenena. Mbola nohamafisiny izany nandritra ny kabary nataony ny 31 desambra teo. Isan’ny tranga iray nanaitra ny mpanara-baovao ny raharaha adin-tany ao amin’ny Fokontany Isahafa, izay maha voasaringotra tomponandraiki-panjakana ambony miisa roa, amina resaka fanararaotam-pahefana sy kolikoly.
Nanomboka tamin’ny taon-dasa ny Filoha Rajoelina no efa nanome toromarika ny handravana ireo tambazotra mpangala-tany eto amintsika. Mbola nohamafisiny indray izany nandritra ny tafa nataony tamin’ny vahoaka malagasy ny harivan’ny 31 desambra teo. Mahatonga disadisam-piarahamonina sy korontana matetika ny adin-tany. Ary anisan’ny raharaha betsaka tonga eny amin’ny Fitsarana ny fifanolanana amin’ny resaka taratasina tany.
Isan’ny tranga nanaitra ny mpanara-baovao nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny raharaha adin-tany eny amin’ny fokontany Isahafa, kaominina Ambanivohitra Anosy Avaratra, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Ny alahady 31 desambra 2023, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina, nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana, izay nahitana ireo olom-panjakana, ny Seg Jly Serge Gellé, ny Kolonely, Komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo, ny Mpifehy ny kaomisarian’ny Polisim-pirenena Avaradrano, ny lefitry ny Ben’ny Tanàna Anosy Avaratra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Raha tsiahivina ny zava-niseho, nisy raharaha mahakasika adin-tany sy fitononana anarana olom-panjakana ambony, izay niteraka korontana sy savorovoro teo amin’ny fokonolona ao amin’io fokontany io. Isan’izany ireo tany « Parcelle N* 1090 – 1091 » izay misoratra amin’ny R. H sy R. D ary i R. ka ananan’ireo taranany taratasy mazava. Ireo tany ireo dia misy tranon-drazana sy fasan-drazana efa an-taonany maro.
Misy olona hafa anefa ankehitriny mitonona ho tompon’ny tany ka mamaritra sy mandrefy ny tany. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tany filalaovana baolina kitra sy fanaovana fanatanjahantena ary indrindra indrindra ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) Isahafa, izay marihina fa mbola tany misoratra amin’ny Fanjakana. Efa nisy ny fitondrana ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana ka ireto farany no nitory ny sefom-pokotany Isahafa sy ireo tompon-tany, saingy najanon’ny Fitsarana ny raharaha (classé sans suite). Mbola mitohy anefa ny fibodoana ka efa hita fa misy teratany vahiny mitsirika ireo tany. Nandray fepetra avy hatrany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny hanokafana fanadihadiana sy ny hisamborana izay rehetra tompon’antoka momba ny halatra sy fanakorontanana saim-bahoaka izao. Ny vondron-tobim-paritra Antananarivo Renivohitra sy ny sampana fikarohana heloka bevava Antananarivo no misahana ny famotorana.
Hatramin’ny omaly, olona roa no fantatra fa voasambotra sy nohadihadiana teny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava zandary teny Fiadanana, ary fantatra fa hiakatra fampanoavana anio eny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly (PAC). Tomponandraiki-panjakana ambony eny anivona Minisitera izy ireo (Minisiteran’ny fanajariana ny tany, sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena), ary vesatra hanenjehana azy ireo ny fanaovana fisolokiana sy fampiasana anaran’olona hangalarana ny tanin’ny fokonolona. Tsy azo ekena ny fanararaotam-pahefana hibodoana tanin’olona ary ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia fantatra fa nanome baiko hamerenana ny taniny amin’ny vahoaka sy hanenjehana araka ny lalàna ireo olona rehetra tafiditra ao anatin’io raharaha io, na tompon’andraikitra ara-panjakana izy na olon’antoko ao anaty Fitondrana aza. Araka ny loharanom-baovao dia olona efatra hafa koa no efa hanaovana fikarohana amin’izao fotoana izao momba ity raharaha ity ihany. Tsy maintsy ho voasambotra ny atidoha nikotrika na dia manam-pahefana ambony aza fa tsy ny madinika ihany no hatao sorona, araka ny fanamby.
Pierre M sy LR.




