PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA HALATRA TANY – ISAHAFA: Mitohy ny famotorana ilay Tale iray, manameloka ny tranga ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany
Araka ny vaovao farany voarainay omaly dia mbola mitohy ny fihazonana sy ny famotorana atao an’ilay Tale iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany eny amin’ny Sampana fikarohana Heloka bevava eny Fiadanana. Mbola andrasana, araka izany, ny fotoana ny hiakaran’ny raharaha eny anivon’ny fampanoavana. Io tomponandraikitra io izay voarohirohy ho nanao taratasy hosoka marobe hahafahana mangalatra tanin’olona tany Isahafa Anosy Avaratra. Ny tenany no fantatra fa atidoha nikotrika ny fakana ny tany 5 hektara izay efa tany nohajarian’ny fokonolona an-jato taonany kanefa nahavitan’izy sy ny rahavaviny taratasy sandoka ka nosoratany tamin’ny reniny ary saika hamidiny tamin’ny teratany sinoa. Efa tonga nitsirika ny tany teny mihitsy moa ireo sinoa ary teo no nahataitra ny fokonolona ka nampi-pongatra ilay raharaha halatra tany rehefa tsy nanaiky ny fokonolona. Misy sekoly sy fasana sy tranon’olona efa mitsangana eo amin’io tany saika hangalariny io. Fantatra fa mandainga sy mamitaka olona ity vehivavy ity ary miezaka mampiditra anaran’olona hafa hiarovan-tena rehefa manao ny fandikan-dalàna izay efa fomba fanaony rahateo. Fa ny fanadihadiana dia nampiseho fa lainga daholo ny fanononany anarana olona lazainy fa maniraka azy manao ny asa ratsiny, fa tena izy tenany mihitsy no tompon’antoka voalohany amin’ny fangalarana ny tany.
Manameloka ny Minisitera
Manoloana ity raharaha ity dia manambara ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan- tany sy ireo mpiaramiasa rehetra eo anivon’ity Minisitera ity fa manameloka tanteraka ny fivadiham-pitokisana nataon’io tale io satria napetraka ho mpiara-miasa hitady izay mahasoa ny Vahoaka kanefa vao mainka nambotry vahoaka, ary nandika tanteraka ny Foto-kevitra mibaiko ny asa rehetra ato amin’ny Ministera. « Iankinan’ny fiainan’ny Malagasy rehetra sy ny Firenena manontolo ny tany ary andrandrain’ny vahoaka fanamboarana sy fanatsarana goavana, koa tsipahin’ny Ministera marindrano raha ny nantenain-kanirina no nampivandravandra, nanao fomba mamoafady hangalarana tanim-bahoaka », hoy ny fanambarana. Araka izany, ny Ministera dia mametraka tanteraka ny fitokisany amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny miandraikitra ny fanadihadiana momba io raharaha io ary maneho ny fahavononany hanohy ny fifanampiana amin’izany.
Notsiahivin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany fa izy ireo dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny famerenana sy fizarana ny tany ho amin’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo araka ny filamatra nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary nanao ho vaindohan-draharaha ny fanatanterahana an’izany tamin’ny alalan’ireo ezaka rehetra notontosaina tao anatin’ny roa taona : fanamboarana ny Lalàna momba ny Karatany, sy ireo rijan-teny fampiharana azy, Colloque National sur le Foncier, famolavolana ny PNF 2, fandinihana ny Drafitra fanavaozana ny fananan-tany ( Reformes foncières).




