PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA: Nanavao ny fitokisany an’i Ntsay Christian ho Lehiben’ny Governemanta
Manana traikefa, mpiara-miasa mahatoky ary tsy mba nivadibadika tamin’ny Filoha Andry Rajoelina andriamatoa Ntsay Christian. Noho izay antony izay indrindra no anisan’ny nanosika ny Filoha Rajoelina hamerina azy indray ho eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra na dia nisy aza ireo anarana roa hafa nalefan’ireo Depiote maro an’isa. Ho fantatra tsy ho ela ihany koa ireo handrafitra ny Governemanta.
Mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana ny fitantanana ny firenena, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny anaran’izay ho Praiminisitra. Mila olona mahafehy ny asa fampandrosoana, ny fanatanterahana ireo vina efa natomboka. Notsindrian’ny Filoha fa sarobidy loatra ny tsy fivadiham-pitokisana. Ka izany indrindra no nahatonga ny safidiny hamerina indray an’andriamatoa Ntsay Christian eo amin’ny Toeran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Mila vokatra aingana sy azo tsapain-tanana ny vahoaka, hoy hatrany ny fanazavana. Asa maika miandry ny Praiminisitra, noho izany, ny fanafainganana ny raharaham-pnjakana sy ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny Andrimpanjakana, ny Minisitera, ary ireo Sampandraharaha rehetra.
Marihina fa araka ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra, dia izay Vondrona politika manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no manolotra ny anaran’izay ho tendrena Praiminisitra. Anarana telo, noho izany, no tonga teo anatrehan’ny Filoha avy amin’ireo depiote maro an’isa.
Nohazavain’ny Filoha Andry Rajoelina teo anatrehan’ireo Solombavambahoaka maro an’isa sy ny vahoaka malagasy, fa mila olona manana traikefa maro ny toerana maha Praiminisitra, na eo amin’ny lafiny fitantanana ankapobeny, na ara-toekarena, na amin’ny fifandraisana iraisampirenena, ary mahafehy ny raharaham-pirenena ankapobeny. Ny Praiminisitra mantsy no mitarika ny Filankevitry ny Governemanta. Ary manaraka ny fampiharana ny tetibolam-panjakana amin’ireo asa atao eto amin’ny firenena. Tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana “PGE” ny Praiminisitra. Manaraka an’ireo minisitra amin’ny fanatanterahana izany PGE izany koa izy. Ny sehatra iraisampirenena koa no antoka iray ampisongadina an’i Madgasikara, ka anjaran’ny Praiminisitra no manamafy ny fiaahamiasa amin’ireo firenena vahiny sy ireo Mpiara-miombona antoka iraisampirenena.
“Tsapako fa miandrandra fampandrosoana mipaka isan-tokantrano ny malagasy. Ka mila mitondra vahaolana aingana isika”, hoy hatrany ny FIloha.
Tsiahivina fa raha ny Praiminisitra Ntsay Christian manokana dia efa ny taona 2018 no voatendry ho amin’izany toerana izany. Tsy niala mihitsy izy nandritra ny dimy taona voalohan’ny fepotoam-piasan’ny Filoha, ary izao mbola miverina voatendry izao indray aty amin’ny taona 2024. Ntsay Christian, noho izany, no Praiminisitra naharitra ela indrindra teo amin’io toerana io tato anatin’ny Repoblika fahaefatra. Isan’ny nanamarika manokana ny fitantanan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny fanavaozana teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny asa fampandriana fahalemana.



