PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA VAOVAO: Maherin’ny 50 ireo olona efa naneho ny fahavononany
Ny zoma teo no nanomboka ny fahafaha-manatitra antontan-taratasy ho an’ireo maniry hanatevin-daharana ny Governemanta vaovao tarihin’ny Praiminsitra Ntsay Christian. Araka ny loharanom-baovao, efa maherin’ny 50 ireo olona tonga naneho ny fahavononany tamin’ny alalan’ny fanaterana antotan-taratasy hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Andrasan’ny mpanara-baovao moa ny hitsangan’ny Governemanta amin’ity herinandro ity.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanaovana sivana ireo olona maniry hiditra ao anatin’ny Governemanta ankehitriny ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny alakamisy teo tokoa mantsy, dia ny zoma teo no nanomboka afaka nanatitra ny antontan-taratasiny ireo te hanolo-tanana ao anatin’ny Governemanta. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, manodidina ny 50 eo ho eo ireo olona tonga naneho ny fahavononany ho amin’ny Toeran’ny Minisitra. Mazava ho azy, tsy maintsy mbola hivoatra io tarehimarika io raha mbola haharitra ny fotoana hanendrena ireo Mpikamban’y Governemanta. Tsara tsiahivina, fa tendren’ny Filohan’ny Repoblika, miainga amin’ny soso-kevitry ny Praiminisitra, ireo Minisitra.
Tsiahivina, fa taorian’ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny anaran’ny Praiminisitra ny alakamisy teo dia efa niresaka sahady ny mahakasika ny fomba hananganana ny Governemanta vaovao koa ny Filoha Rajoelina. Nambarany fa manomboka ny zoma teo no hifantina izay ho atao Minisitra ny Praiminisitra. “Lehibe loatra ny adidy miandry, ka ho hentitra mifanaraka amin’izany koa ny fanadihadiana sy ny fifantenana ireo olona ho atao minisitra. Mila olona madio, mahitsy, miasa aingana, ary manana traikefa”, hoy ny Filoha. Efa nilaza izy fa tsy hanova izay Minisitra nahitana fahombiazana teo amin’ny asany. Misy koa anefa ireo mety hiova departemanta, miankina amin’ny traikefa sy ny fahaiza-manaony, ary tsy maintsy hisy ireo esorina.
Mila mianiana
Isan’ny zava-baovao nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina ny fianianana izay tsy maintsy ho ataon’ny Minisitra tsirairay avy, vantany vao voatendry eo amin’ny toerana izy. Mila mianiana ireo Minisitra fa hanao ny asa ampahamarinana, manaiky fa tsy anao kolikoly, ary manao sonia avy hatrany eo anatrehan’ny vahoaka. Mametra-pialana na esorina ireo Minisitra raha vao tsy mahatanteraka ny asany. Tao anatin’izany indrindra, niantso ireo izay rehetra vonona hanome tanana sy mahatsiaro tena ho mahafeno ny fepetra, araka izany, ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany fa hisy sampandraharaha manokana iandraikitra ny fandraisana ireo antontan-taratasin’ireo maniry ho Minisitra.
Tsy hisy indrafo ny endrika kolikoly
Mbola nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy hisy indrafo ny endrika kolikoly mandritra izao fotoam-pitantanany izao. Ary tsy ny maha tomponandrakitra na ny maha minisitra no hanaovana ny tsy mety sy hanindrina olona, hoy izy. Fampandrosoana no ilaina ka tsy ho leferina izay endrika manaratsy ny firenena. Ary tokony ho maodely ny ministra sy ny tomponandraikitra, hoy hatrany ny Filoha.




