PolitikaSongadim-baovao
FIAINAM-PIRENENA: Ny mety ho endriky ny Governemanta Ntsay…
Miainga amin’ireo andry telo ifotoran’ny asa fampandrosoana ho an’ny dimy taona manaraka, fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao ny mety ho endriky ny Governemanta vaovao tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny azo antoka dia hisy ireo Minisitra teo aloha izay mbola ho voatazona, ankoatra ireo olom-baovao ho avy. Azo heverina ihany koa ny hisiana fiovana departemanta minisiterialy, na eo amin’ny anarany na eo amin’ny isany.e
Ny 01 Desambra 2023, nandritra ny fanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny vokatra ofisialin’ny fifidianana no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy hanova ireo ekipa hitany fa nahomby teo amin’ny fitantanana ny tenany. Zava-dehibe rahateo ny fananana mpiara-miasa mahatoky sy tsy mivadibadika ka antony tsy hanesorana ireo hita fa mahatanteraka antsakany sy andavany ireo iraka nampanaovina azy. Efa nisantatra izay fanavaozam-pitokisana izay ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alakamisy 4 janoary 2024 teo. Mbola andrasana kosa ny mahakasika ireo Minisitra tsirairay sy ireo izay mbola ho tafaverina.
Amin’ireo ekipa hiverina dia mety hisy ireo hiova departemanta, miankina amin’ny fahitan’ny Filoha sy ny Praiminisitra ny fahaizany sy ny traikefa izay ananany. Mety hisy ihany koa anefa ireo ho voatazona eo amin’ny toerana efa nosahaniny nandritra ny fepotoam-piasana voalohany.
Fisokafana ?
Tao anatin’ny lahateny nataony voalohany nandritra ny lanonam-pianianana lehibe teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 16 Desambra 2023 kosa no nanambara fisokafana voalohany ny Filoha Andry Rajoelina. Notsindriany tamin’izany fa misokatra amin’ireo izay vonona hampandroso izy. Ary tamin’ny fotoana nambarany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra dia mbola niverenany noresahina ny mahakasika ireo Minisitra. Ary tamin’izany indrindra no niresahin’ny Filoha Andry Rajoelina ny fahafaha-manatitra antontan-taratasy amin’ireo manam-pikasana ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra. Araka ny vaovao voarainay izay tsy mbola nahazoana fanamarinana, dia tokony ho anio no hifarana ny fandraisana izay antontan-taratasy, ary hiroso tsy ho ela ny fampahafantarana ireo Minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao.
Marihina fa fisokafana amin’ireo olona ivelan’ny Antokon’ny Filoha no noresahina. Mety hisy, araka izany, ny olona avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, na fiarahamonina ara-toekarena sy ny sisa, handrafitra ny Governemanta. Mazava ny Tanjona, dia hanomezana aim-baovao indray ny Governemanta hahafahana manafaingana ireo asa tena ilain’ny vahoaka.
Miasa ho an’ny vahoaka
Hahazo vahana manokana ny sehatry ny Sosialy mandritra ny fepotoam-piasana faharoan’ny Filoha Andry Rajoelina. Midika izany fa isan’ny mason-tsivana handraisana ireo Minisitra ny fahafahany midina eny ifotony sy miasa ho an’ny vahoaka, na lehilahy na vehivavy. Tombanana ihany koa ny hanomezana vahana betsaka, indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola na amin’ny lafiny arifenitra, ireo Departemanta Minisiterialy mifantoka amin’ny raharaha sosialy.




