PolitikaSongadim-baovao

HALATRA TANY AO ISAHAFA : Olona fito karohina, mitohy ny ady amin’ny kolikoly

Folo andro katroka omaly no nidinan’ny Seg Jly Serge Gellé teny Isahafa Avaradrano momba ilay halatra tany ary nanao tatitra tamin’ny fokonolona izy. Olona fito  karohina fatratra. Tafiditra ao anatin’io ny renin’ilay Tale sy ny rahavaviny ary ilay Mpandrefy tany mpahairaha. Hentitra izy nilaza tamin’ireo nanatrika fa mitohy ny ady amin’ny hosoka sy fampiasana hosoka ary ny kolikoly momba ny resaka halatra tany. Fanadihadiana…

Niverina nidina ifotony tao Isahafa Avaradrano, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé, omaly, nanao ny tatitra tamin’ny vahoaka. « Nisy ny vokatra momba ny iraka nampanaovin’ny Filohan’ny Repoblika ahy, ka isan’ izany ny nahafahana nanao ny fanadihadiana ireo tambajotra mpangalatra tany. Olona roa no efa nidoboka am-ponja ka isan’izany ilay Rtoa Tale tao amin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany.

Olona fito mbola karohina ka isan’izany ny reny sy ny rahavavin’ilay ramatoa tale  efa nampidirina am-ponja vonjimaika », hoy izy. Nasongadin’ny Seg Jly Serge Gellé fa « olona efa maty tamin’ny taona 1944  no nolazaina fa nivarotra ny tany mirefy 5 hekitara ary ny iray efa nodimandry tamin’ny taona 1970. Hita tany Atsimondrano ireo fanaovana hosoka tamin’ny fanoratana ilay tany ». Mazava, araka izany, fa hosoka ny fampivarotana sy famindrana ireo tany ireo. Raha nahazo « titre » ireo mpangalatra tany dia azo tamin’ny hosoka.

Hosoka sy fampiasana hosoka…

Hosoka sy fampiasana hosoka no nahazoana ny tany parisely 1090-1091 Ary 546-H ao Isahafa. Taorian’ny fitsirihana niaraka ny Bokim-panjakana firaketana ireo fifampivarotana miisa telo dia ny laharana faha-44 tamin’ny 12 may 1986, laharana faha-85 tamin’ny 04 jolay  1988 ary ny laharana 06 tamin’ny 13 desambra 2004. Tsikaritra tamin’izany fa nasisika tao anaty Boky avokoa ireo fifampivarotana miisa telo ireo ary maro ny porofo hita nanamarina izany, izay niaraha-nahita niaraka tamin’ny Rtoa CAA  ihany.  Nohamarinina tao amin’ny Holafitry ny mpandrefy tany matihanina eto Madagasikara koa ilay Mpandrefy tany Mpahairaha, nandrefy ny tany teny Isahafa, izay mipetraka tao  Antanety Atsimo Ambohimanarina, izay ny adiresy nisy azy.  Rehefa nohamarinina m, efa tsy nipetraka ao amin’io trano io intsony izy ary tsy naka fifindra-monina tao amin’ny fokontany akory. Ankoatra izay, araka ny vaovao azo, miasa ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra i R.C.N rahavavin’i R.O.A. Ny tao amin’ny kaominina ihany no nanamarina fa miasa ao tokoa  io R.C.A io, saingy efa nafindra  any amin’ny Boriborintany fahatelo, efa herintaona izay. Efa nisy ny fitsirihana  nalefa tany amin’ny Mpiandraikitra ny fananantany tao Ambohidratrimo, izay nangatahana ny « copie authentique » miaraka ny famindrana ny « titre »  546-H sy ny fanafoanana ilay famindrana ny tany ho any amin’ny Fanjakana malagasy.

Fandikan-dalàna no natao

Nasongadin’ny Seg Jly Serge Gellé tamin’ny ireo fokonolona lasibatry ny halatra tany fa fandikan-dalàna no natao satria nahavita nanao hosoka sy fampiasana hosoka ireo Mpangalatra tany ka nahazoany « titre ». Miady amin’ny kolikoly ny Fitondram-panjakana hoy ny Jeneraly SEG,  ka tsy ekena ary tsy maintsy fongorina ny tambajotra mpangalatra tany. Noho ny resaka fandikan-dalàna no nidiran’ny Zandary fa tsy amin’ny maha ady madio ny adin-tany. Tsy misy adin-tany fa halatra tany no nisy. Manaporofo izany ny hosoka sy ny fampiasana hosoka momba ny fahazoana ny tany mitondra ny parsely 1090-1091 ary Titre N 546-H ao Isahafa, kaominina Anosy/Avaratra. Ireo antontan-taratasy rehetra nentina nanao ny famindrana tao amin ny Sampandraraha ny fananantany Antananarivo/Avaradrano. Singanina amin’izany ny taratasy fifampivarotana miisa roa, nifanaovan’ ny  R.D sy ny namany, mpivarotra sady tompon’ny tany teo aloha tamin-dRamatoa R.J.S mpividy, izay nohamafisin ny  didim-pitsarana. Io didim-pitsarana io  koa dia mandidy ny Mpikajy ny fanantany ao Antananarivo/Avaradrano, mba hamindra ny tany amin’ny mpividy, izay tsy iza fa ny  renin-dRamatoa Tale tao amin ny Minisiteran’ny fananantany sady hanome azy ny  solon-kadasitra, mba hanaovana ny famindrana. Rehefa natao ny famotorana ny Mpikajy ny fananantany ao Antananarivo/Avaradrano dia nilaza izy fa didim-pitsarana no nanaovany ny famindrana ka tsy misy hadisoany izany fa ny tsy fanaovany izany dia azo hitoriana azy.

Hosoka ny fampivarotana…

Noraisina indray ny fanambaran-dRamatoa R. P mikasika ny tany izay voalaza fa novidiny, araka ny voarakitra ao anatin’ny taratasy fifampivarotana mitondra ny laharana faha 06 ny 13 desambra 2004, natao tao amin ny Boriborintany Fiombonana Antananarivo/Atsimondrano, ary nohamafisin’ny didim-pitsarana ihany koa. Nilaza ity farany fa sady tsy manana tany any Isahafa no mbola tsy nividy tany teny koa. Araka izany, hosoka tanteraka io taratasy fifampivarotana voatondro io. Natao  koa ny fikarohana ny renin-dRamatoa Tale sy ny rahavaviny fa tsy nahitam-bokany hatreto. Nanainga ny olom-pirenena rehetra ny Seg Jlt Serge Gellé hiara-hisalahy momba ny ady amin’ireo tambajotra mpangalatra tany, izay efa nasian’ny Filoha tsindrimpeo manokana tamin’ny kabariny farany teo.

Rado Harivelo

Fermer