PolitikaSongadim-baovao

FANAFAINGANANA NY ASA FAMPANDROSOANA: Tombanana hitombo ny isan’ireo Minisitera handrafitra ny Governemanta vaovao

Fomba iray nahafahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian nanatsara ny fomba fiasa sy nanafaingana ny asa teo anivon’ny Governemanta farany teo ny fampisarahana ireo Departemanta minisiterialy sasany. Azo heverina no iverenan’izay kisary izay amin’ity Governemanta vaovao hatsangana ity, ankoatra ireo toerana sy departemanta vaovao mety hiforona.

Azo heverina ny fampitomboana isa ireo departemanta minisiterialy amin’izao fananganana Governemanta vaovao izao, araka ny tombatomban’ny mpanara-baovao. Raha miainga tamin’ny lalan-tsaina nananganan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Governemanta farany, dia nisy ireo departemanta izay nitambatra no tsy maintsy nosarahina mba tsy havesatra amina Minisitra iray ny misahana azy, sy mba tsy hisy sehatra ho atao ankilabao, ary koa mba hanafaingana ny asa fampandrosoana ilain’ny vahoaka. Raha jerena ny endriky ny Governemanta farany teo dia azo heverina ny hisiana fampisarahana departemanta amin’ity Governemanta Ntsay Christian, fahavalo, ity. Raha ny resaka mandeha, izay tsy mbola nahazoana fanamarinana, dia heverina ho isan’ireo mety hosarahina ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany, eo koa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Toy izany koa ny mety hametrahana ny toeran’ny Praiminisitra Lefitra misahana raharaha sosialy, noho ny fametrahan’ny Filohan’ny Repoblika ho laharam-pahamehana resaka sosialim-bahoaka sy ny maha olona amin’ity fepotoam-piasana faharoa ity. Ankoatra ireo, azo antoka ny mbola ipetrahan’ireo sekreteram-panjakana miisa roa, dia ny miadidy ny zandarimariam-pirenena, sy ny misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, ankoatra izay mety mbola hiforona. Mbola fanontaniana mipetraka kosa ny mety hisian’ny toeran’ny Minisitra lefitra na tsia. Tamin’ny Governamanta farany teo dia ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ihany no nisy Minisitra lefitra nisahana ny Fiompiana. Ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ihany no manana ny valin-teny raha toa ka fahombiazana no nametrahana izany na tsia.

Tolo-kevitry ny Praiminisitra…

Tsara ho fantatra fa omaly no voalaza fa fotoana nanateran’ny Praiminisitra ireo Tolo-kevitra tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Hatramin’ny ora farany nanoratanay omaly dia tsy mbola nahazo fanampim-baovao mifandraika amin’izany izahay. Araka ny loharanom-baovao voaray aza dia mbola nisy ireo olona tonga nanatitra antontan-taratasy ho an’ny toeran’ny Minisitra hatramin’ny omaly. Azo heverina ihany koa noho izany ny mbola nisiana fihainoana ireo izay voafantina hatramin’ny omaly. Amin’ity faran’ny herinandro ity no ahitana ny tena marina sy hamaliana ireo fanontaniana izay tsy mbola hahazoam-baliny hatramin’izao.

Fermer