PolitikaSongadim-baovao
GOVERNEMANTA VAOVAO: Nahatratra 467 ireo antontan-taratasy voaray, ho fantatra rahampitso ireo handrafitra azy
Nahatratra 467 ireo filazana mombamomba ireo haniry te ho minisitra voaray tetsy Ambohitsorohitra, hatramin’ny omaly zoma. Sivana andraisana azy ireo ho mpikamban’ny Governemanta ny fahombiazany sy ny fahafehezany ny asany, hanatrarana ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika. Raha tsy misy fiovana, hivoaka rahampitso amin’ny 5ora hariva ny anaran’ireo handrafitra ny Governemanta Ntsay…
Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka rahampitso amin’ny 5ora hariva, ny Mpikamban’ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny fahombiazana sy ny fahaiza-mifehy ny asa, izany hoe, matihanina no anisan’ny fepetra tsy maintsy ananan’ireo kandidà hisafidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta vaovao hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Hitondra fampandrosoana haingana sy hametraka fanovana goavana eo amin’ny sehatry ny fanatanterahana ny Fanjakana tsara tantana na ny « bonne gouvernance » sy ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana no tanjona andrasan’ny Filoha Andry Rajoelina amin’izy ireo, mba hanatrarana ny fampandrosoana mipàka eny amin’ny vahoaka sy ny isa-tokantrano. Tao anatin’ny herinandro latsaka izao, manao tohivakana ireo olom-pirenena maniry hiditra ho minisitra tonga manatitra ny antontan-taratasin’izy ireo, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Raha ny angom-baovao, hatramin’ny omaly zoma, 12 ny volana janoary 2024, dia nahatratra 467 ireo filazana mombamomba ireo haniry te ho minisitra na ny CV voaray tetsy Ambohitsorohitra. Tsara ny manamarika fa mbola mitohy ny fihainoana ireo kandidà hatramin’ny omaly.
Araka ny fampitam-baovao azo avy etsy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika kosa, mifandraika amin’ilay fampitam-baovao navoaka teo aloha, fantatra fa amin’ity faran’ny herinandro ity no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo minisitra vaovao ho voatendry handrafitra ny governemanta izay hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Filoham-pirenena.
Ho fitandrovana ny mangarahara dia ny kabinetra ivondronan’ireo manampahaizana manokana na « Cabinet d’experts » no manadina ireo kandidà, mba hitarafana ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-manaon’izy ireo, ary ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian kosa, no manatanteraka ny sivana farany. Araka ny efa nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina moa, hanao fianianana mikasika ny fahitsiana sy ny fangaraharana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta. Hanao fanekena amin’ny fanajana ny tamberina adidy ihany koa izy ireo.
Rado Harivelo




