Songadim-baovaoSosialy

FAHABETSAHAN’NY ROTSAKORANA : Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’Analamanga

Ny Faritra Boeny sy Sofia hatreto no tena ahitana rotsakorana betsaka manoloana ny fisiana tangoron-drahona niainga tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ka vinavinaina hivoaka any Analanjirofo amin’ity anio ity. Ho an’i Mahajanga manokana dia dibo-drano ireo toerana iva ary mihato hatramin’ny anio ny fampianarana. Isan’ireo faritra naharay fampitandremana miloko mavo ihany koa anefa ny eto Analamnaga. Toerana maro eto an-drenivohitra no misedra fiakarana rano vantany vao avy ny orana.

Mbola hikorontana hatrany ny toetry ny andro eto Madagasikara hatramin’ny sabotsy ho avy izao, indrindra any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, raha ny fampitam-baovao navoakan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly. Noho izany dia hahazo vahana ka mbola hitohy hatrany ny rotsakorana amin’ny faritra maro eto Madagasikara ato anatin’ny roa andro manaraka. 50 hatramin’ny 100mm ao anatin’ny 24 ora ny habetsak’izany rotsakorana izany. Tsiahivina fa vokatry ny oram-baratra aterak’ilay tangoron-drahona ao amin’ny ati-tany avaratry ny Nosy no mahatonga io fahabetsahana io. Ampian’ny talio izay hahazo vahana hatramin’ny rahampitso.

Fahasimbana fotodrafitrasa, fiakaran’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano, na ihany koa fihotsahan’ny tany sy ny lalana, ireo amin’ny ankapobeny no mety ho fiantraikan’izay fahabetsahan’ny rotsakorana izay. Noho izany dia mila mitandrina hatrany ny rehetra. Antony nahatonga ny avy eo anivon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro namoaka filazana fampitandremana momba ny habetsaky ny rotsakorana hatramin’ity anio ity izany. Mahazo filazana fampitandremana miloko mena, araka izany, ny Faritra Boeny, Sofia, ary Betsiboka. Filazana fampitandremana miloko mavo na filazana manambana kosa no misy ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, sy ny any amin’ny Distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo, ary Belon’i Tsiribihina.

Fampiatoana fampianarana ho an’ny Faritra Boeny

Faritra miaina mivantana ny vokatry ny rahom-baratra ny any Mahajanga renivohitry ny Faritra Boeny. Nilatsaka hatrany ny orana nandritra ny roa andro farany teo saingy nihena kokoa ny habetsany ho an’ny omaly alarobia raha ny fitantaran’ireo mponina any an-toerana. Vokatr’izay fahabetsahan’ny rotsakorana izay dia tanàna iva maro any Mahajanga no dibo-drano ka isan’izany ny any Tsararano Ambany, Fiofio, na ihany koa Ambalavola. Ho fisorohana ny loza mety haterak’izany tranga izany dia nandray fanapahan-kevitra ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena fa hampihato mandritra ny roa andro ny fampianarana any Mahajanga. Izany hoe omaly sy anio alakamisy no nihatra ny fihatoana ka heverina fa hitohy rahampitso zoma ny fampianarana.

Fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra

Ankoatra ny any Mahajanga dia tsikaritra ihany koa hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fitomboan’ny rotsakorana azon’Antananarivo noho ny fisian’ilay tangoron-drahona hatrany. Iaraha-mahalala anefa ny olana iainana eto an-drenivohitra amin’ny fotoam-pahavaratra. Mahatonga fiakaran’ny rano amin’ny faritra iva maro ny firotsahan’ny orana na dia minitra vitsy fotsiny ihany aza. Araka izany, toerana maro teto an-drenivohitra no nahitana fiakarana rano toy ny teny Anosy, Ampefiloha, Soarano, Ivandry, Behoririka, Besarety sy ny maro hafa. Tsy mbola misy ahiana kosa anefa, ankilany, ny mety ho fiakaran’ireo renirano raha ny tatitra farany avy any amin’ny APIPA.

Manoloana ireo tranga ireo dia nidina ifotony nanao fitsirihana ny avy amin’ny BNGRC tamin’ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata lasa teo. Tsikaritra tamin’izany fa ny fahatsentsenana lakan-drano vokatry ny fako sy ny loto no olana ho an’Antananarivo ka manafaingana ny fiakaran’ny rano rehefa avy ny orana. Fepetra noraisina, araka izany, ny tsy maintsy hanadiovana ao anatin’ny fotoana fohy ireo lakan-drano miisa efatra eto an-drenivhitra ka “heverina fa rehefa madio ireo dia tokony ho mora ny fivoahan’ny rano”, hoy ny fanazavana noentin’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier. Ankoatra io, mila hamafisina ihany koa ny fiomanana amin’ny fihavian’ny loza ho an’ny eto Antananarivo na dia mbola tsy misy aza ny ahiahy. Fepetra noraisina mifanaraka amin’io, noho izany, ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fanatanjahantena ka hanaovana ireo kianja mitafo ho fitobian’ireo izay mila fialofana. Hametrahana ireny fandriana afaka miforotra ireny eny amin’ireo toerana ireo mba hatao fiandry raha toa ka misy ny tampoka.

Efa fahazarana

Ampefiloha, Andavamamba, Isotry, na ihany koa Antatihazo, fokontany amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra misedra olana amin’ny fiakaran’ny rano hatrany ireo isan-taona, noho ny firotsahan’ny orana. Saika mitaraina noho ny fisian’izany tranga izany avokoa na ireo mponina manana trano manamorona ny arabe, na ihany koa ireo izay mipetraka any anaty tanàna. Renim-pianakaviana iray mipetraka eo Andavamamba moa i Solo, mivelona amin’ny sasa lamba, ary manan-janaka telo miandahy. Nambarany fa notezaina tao anaty rano miditra hatrany an-trano ireo zanany ireo fony fahakeliny, rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. 13 taona izao no zandriny indrindra amin’ireo zanany ireo ary mbola iainan’izy ireo mandrak’ankehitriny ny rano miakatra tonga hatreo ambaravarana. Vokatr’izany, “efa lasa fahazarana ho anay ilay miaina fiakaran’ny rano rehefa avy ny orana”, hoy i Solo. Heverina ho antony mahatonga izany tranga izany ny tsy fahampiana lakan-drano eny amin’ny tanàna misy azy ireo. Misy lakan-drano lehibe iray saingy tsy afaka manao ny asany noho izy tototry ny fotaka sy ny fako.
Manoloana izay fiakaran’ny rano izay dia vahaolana vonjimaika ampiharin’ity renim-pianakaviana ity ny fisorohana ny fidiran’ny rano tsy ho tonga any an-trano amin’ny alalan’ny fanasaivana sakana biriky avo eo an-tokonam-baravarana. Tsy mbola manana eritreritra ny hiala io toerana misy azy ao Andavamamba io ny fianakavina hatreto. Izy ireo izay efa nanorim-ponenana teo efa tamin’ny 22 taona lasa izao, raha ny fanazavana. “Tsy manana toerana hafa haleha izahay… Manahirana ny fiangaviana fiarahana mipetraka any amin’ny havana ka aleonay miaritra eto aloha”, hoy hatrany i Solo. Toa ny fianakavian’i Solo, maro ireo mbola misedra izay fiakaran’ny rano izay eto an-drenivohitra amin’ny fotoana firotsahan’ny orana.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer