Songadim-baovaoSosialy
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Asa maika ny fanadiovana ny Tanàna
Nisedra olana ny Tanànan’Antananarivo tato anatin’ny herinandro vitsy izay noho ny fivangongoan’ny fako manerana ireo toerana maro. Manampy trotraka koa ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra izay mahabe ny rotsak’orana, ka mampiparitaka ireo fako etsy sy eroa. Nandritra ny filankevitry ny Minisitra tamin’ny alarobia teo no nanomezan’ny Filoha Andry Rajoelina toromarika ny tsy maintsy hanadiovana ny tanànan’Antananarivo faran’izay haingana.
Manodidina ny 13, 93% eo ho eo ny tahan’ny fampidiran-ketra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Izany hoe, ambany raha mitaha amin’ny habetsaky ny Mponina. Araka izany, misedra olana amin’ny enti-manana amin’ny fandraofana ny fako ny fiadidiana ny tanàna, ka antony mahatonga ny fivangongoana misy etsy sy eroa. Manampy trotraka ihany koa ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra izay mahabe ny rotsak’orana ka mampiparitaka ireo fako. Vanim-potoana iakaran’ireo voankazo isan-karazany koa izao ka mampitombo aingana ireo fako.
Tetsy ankilany, nifarana efa tamin’ny herinandro lasa ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna. Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra lehibe sy goavana intsony ireo eo anivon’ny Kaominina ankoatra ny fampandehan-draharaha andavanandro. Noho izany indrindra no nahatonga ny toromarika manokana nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia ny tsy maintsy handraofana ny fako sy ny hanadiovana ny tanànan’Antananarivo renivohitra faran’izay haingana. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitera amin’izany ka hirosoana avy hatrany ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra fako avy amin’ny firenena Japoney mba ho azo ampiasaina avy hatrany raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny andro vitsy. Marihina fa ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana, sy ny Fidiovana no voakasik’ity toromarika ity.
Nanadio ny Faritra Analamanga
Omaly, tsy niandry ela fa ny ampitson’ny nanendrena azy indray ho eo amin’ny toeran’ny Governoran’Analamanga, dia nirotsaka an-tsehatra sahady nanadio ny lakan-drano C3 etsy amin’ny 67ha andriamatoa Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy hiandrasana an’iza an’iza, hoy izy, ny asa fanadiovana tahaka izao satria maika. Isika rahateo ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana ka mba hisorohana ny tondran-drano dia aleo diovina ny lakan-drano. Ireo fiarabe sy “engin” an’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga no nahetsika tao anatin’izany.



