KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

ROVAN’ILAFY: Madiva ho vita ny asa fanarenana

Vain-dohan-draharahan’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina ankehitriny ny fanarenana sy fameloma-maso indray ireo toerana manan-tantara sy vakoka eto amin’ny Firenena. Omaly, ny Rovan’Ilafy sy ny Tranon’I Rainilaiarivony Amboditsiry indray no notsidihin’ny ekipan’ny Minisitera. Fotoana izay nijerena ny firoson’ny asa fanarenana atao amin’ireo toerana ireo.

Toy izao ny endriky ny Rovan’Ilafy ankehitriny.

Ny taona 2019 lasa iny, nametraka fanamby ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hanarina sy hanamboatra ireo fotodrafitrasa mirakitra ny tantara tsy hay hadinoina eto amin’ny Firenena, tafiditra ao anatin’izany ireo Mozea, Rova sy ireo toerana manan-tantara maro manerana ny Nosy. Taorian’ny Mozean’ny Tolom-panafahana 1947 tany Moramanga, ny Rovan’Ilafy indray no notsidihan’ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana omaly. Anisan’ny vakoka manan-tantara eto amin’ny Faritanin’Antananarivo ity Rova ity, araka ny fanazavana. Ho an’ny Rovan’Ilafy manokana, efa nirosoana ny fanamboarana ny atiny sy ivelan’ny Rova nanomboka tamin’ny fotoana nametrahan’ny Ministera fanamby amin’ny fanarenana izany.

“Nasiam-panavaozana avokoa ireo toerana rehetra natokana hanaovana ny fampirantiana ara-haifoko ao anatin’ny Rova. Efa mamarana ny asa fanatsarana tanteraka ny orinasa miandraikitra izany amin’izao”, araka ny fampitam-baovao.

Tsara tsiahivina fa Lapa faharoa naorina tany amin’ny taona 80 tany ho any ny Rovan’Ilafy, ka ny mpanjaka Radama II no niandraikitra ny fanorenana izany. Ny taona 1982 kosa no navadika ho lasa Mozea ara-haifoko na  » Musée ethnographique  » ity lapa ity. Ampirantiana ao anatin’io Lapa io avokoa ireo fitaovana rehetra nanamarika ny fiainan’I Radama II tamin’izany. Hita ao anatiny ihany koa ireo karazana fampirantiana ara-haifoko na ny  » Collection ethnographique « , izay entina hampahafantarana ny fomba mampiavaka faritra iray.
Ny tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony etsy Amboditsiry.

Fitsidihana ny tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony

Nifanindra an-dalana tamin’ny fitsidihana nataon’ny Minisitra omaly koa, ny fijerena ny fivoaran’ny asa fanatsarana ny trano nipetrahan’ny Praiministra Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Ity toerana ity raha tsiahivina dia efa tafiditra ao anatin’ny lisitry ny vakom-pirenena nanomboka ny taona 1987. Amin’ny maha vako-pirenena azy, mipetraka ho fananan’ny Fanjakana ihany koa ny toerana sy ny fotodrafitrasa rehetra ao anatiny. Manana adidy lehibe, araka izany, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina handray an-tanana ny fanatsarana ity vakoka ity. Ezahina ny hamerina ny endriny ivelany sy anatiny nahafantarana ity vakoka ity hatramin’izay, hanajana ny fenitry ny fanarenana vakoka iray na ilay antsoina hoe  » Codes architecturaux originaux « .

Fermer