Songadim-baovaoSosialy

VOKATRY NY ROTSAK’ORANA NISESY: Olona iray tsy hita popoka, 2458 traboina

Niteraka fahavoazana toy ny fahaverezana Olona, fisiana traboina maro tsy manan-kialofana, fiakaran-drano sy ny renirano, ary ny fahasimbana fananana ny rotsak’orana vokatr’ilay andian-drahona matevina niditra tao Avaratry ny Nosy teo iny, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, izay namoaka ny antontanisa nanomboka omaly hariva. Raha nanomboka ny talata 16 janoary ny fisian’iny andian-drahona niteraka rotsak’orana be iny, dia maro sahady ny fahavoazana nafitsony tamina faritra sy distrika maromaro manerana ny Nosy, fa indrindra tany amin’ny tapany Avaratra sy Atsinanan’ny Nosy. Fantatra tamin’izany, fa Olona iray no tsy hita popoka hatreto, tao amin’ny Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana. Olona miisa 2 854 avy amina fianakaviana 592 no traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fiakaran’ny rano. Ny 314 avy amina tokantrano 75 amin’izany eto Antananarivo, avokoa, izany hoe avy ao amin’ny Boriborintany I sy II. Ny 258 olona amin’izany no efa nafindra toerana vonjimaika etsy amin’ny Akany SEBA Isotry, raha ny fantatra. Ao amin’ny faritra Sofia no nahitana traboina maro indrindra, hatreto, izay mahatratra 798, ka ny ao Port Berger 400, Mampikony 168, ary Antanandava 230. Manaraka azy ny Faritra Diana, ka Ambanja 526, ary Antsiranana I 45. Faritra Menabe 417, ka Morondava 311, ary Mahabo 106. Boeny 348 izay hita ao Marovoay. Misy olona naratra miisa 04 tao amin’ny distrikan’Ikongo. Tsy nisy kosa, ny aina nafoy, hatreto, raha ny tatitry ny BNGRC. Olona miisa 1 594  avy amina fianakaviana 358 no efa nafindra toerana vonjimaika amina toerana azo antoka. Mahatratra 462 ireo trano dibo-drano, iray niharam-pahavoazana, raha 06 no simba tanteraka. Miisa dimy hatreto, ny efitrano fianarana nahitam-pahasimbana.

Nahazo fampitandremana vaovao ny Faritra Atsinanana sy Diana

Manoloana ny filazana ofisialy navoakan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia fantatra, fa ho betsaka ny rotsak’orana, izay hahatratra 80 ka hatramin’ny 110 mm ato anatin’ny 24 ora nanomboka omaly 19 janoary 2024, any amin’ny faritra afovoany Atsinanana, izay nanomboka omaly io, raha any amin’ny faritra Diana kosa, hanomboka rahampitso alahady 21 janoary. Izany rehetra izany, dia voalaza, fa vokatry ny oram-baratra aterak’ilay tangoron-drahona sy ny “zone de convergence Inter-tropicale”. Nisy araka izany, filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana, nanomboka omaly, raha manomboka rahampitso ny faritra Diana manontolo izay nahazo fampitandremana miloko mavo. Mety hisy fiantraikany izany, dia ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa, ny fiakaran’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, ny fiakaran’ny renirano, ary ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ny lalana. Tsy mitsahatra manentana ny rehetra hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro.   

Stan R.

Fermer