PolitikaSongadim-baovao
MPITONDRA TENIN’NY GOVERNEMANTA: “Aleo ny asa ataon’ny Governemanta no itsarana azy”
Toy ny tamin’ny fepotoam-piasana voalohany dia niverina indray ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” eo anivon ‘ny TVM sy RNM isaky ny zoma atoandro, iarahana amin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Ho an’ny omaly manokana dia samy niakatra nanao fandaharana tao ny Mpitondra tenin’ny Governemanta mianadahy, dia ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy sy ny Minisitra Augustin Andriamananoro.
Avo lenta ny mason-tsivana nisafidian’ny Filohan’ny Repoblika ireo Minisitra mandrafitra ny Governemanta ankehitriny, araka ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, Mpitondra tenin’ny Governemanta voalohany. Nambarany tao anatin’ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano Mihono” omaly, fa manana ny antony ny Filohan’ny Repoblika matoa manendry olona iray. Amin’ny fanendrena mpikamban’ny Governemanta rahateo dia misy ny mason-tsivana politika, teknika, ary maha olona, tsy maintsy jerena. Tsy misy tokony hahataitra, araka izany, hoy izy, ny mahita olona 28 taona ao anatin’ny Governemanta satria efa nandalo an’ireo sivana maro samihafa ireo Minisitra ireo vao tonga eo amin’ny fanendrena azy. Araka ny fanehoan-kevitry ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, araka izany, dia tokony havela hiasa aloha ny Governemanta fa tsy avy dia ny Fitsarana azy no alefa mialoha. “Aleo ny asa ataon’ny Governemanta no itsarana azy”, hoy ny fanazavany.
Minisitry ny Fampianarana Teknika?
Isan’ireo mbola mahabe resaka ny olona sasany ankehitriny, mahakasika io Governemanta nitsangana io, ny nanendrena ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ho eo amin’ny toeran’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa (METFP). Nambarany fa tsy tokony hisy adihevitra mipetraka mihitsy ny momba izany satria fanatanterahana ny politika momba ny fampianarana teknika sy momba ny fanofanana arak’asa no ataony fa tsy handeha hampianarana any amin‘ny lisea teknika akory, araka ny fandrabirabian’ny sasany. Mbola nohamafisin’ny Minisitra Augustin Andriamananoro izany, tamin’ny nanambarany, fa fahombiazana no nitantanan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny dimy taona, ka tsy misy ahiana mihitsy ny fandraisany indray ny fitantanana ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Ny Departemanta fotsiny, hoy izy, no miova fa ny fomba fitantanana minisitera sy ny fanatanterahana ny politikam-panjakana dia mitovy ihany amin’ny ankapobeny. Notsindriany fa mitaky asa sy vokatra aingana ny Filohan’ny Repoblika amin’izany fanofanana arak’asa izany, izay mifandraika amin’ilay andry voalohany, dia ny fanomezan-danja ny maha olona. Rariny sy anaty lojika tanteraka, araka izany, raha nitodika tao amin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ny safidin’ny Filoha sy ny Praiminisitra satria efa hita ny fomba fiasany tao amin’ny departemantan’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Hiresahana ny raharaham-panjakana
Tsara marihina fa isaky ny zoma amin’ny 01ora sy ny sasany atoandro no mandeha ny Fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”. Mety misy fotoana hiara-hiakatra toy ny omaly ireo Mpitondra tenin’ny Governemanta miisa roa. Mety hisy fotoana ny iray amin’izy ireo ihany, miankina amin’ny zava-misy sy ny fahafahan’ny tsirairay koa. Hiresahana ny raharaham-panjakana sy ireo fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Filankevitry ny Governemanta ny fandaharana.




