Songadim-baovaoSosialy
ANKOHONANA MIARINA : Nirosoana ny fananganana ny tetikasa, hanarenana ireo fianakaviana marefo
Tetikasa hanova ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra ny Malagasy te hanarina ny fiainany no nanaovana ny hoe « ankohonana miarina », hoy ny Filoha Andry Rajoelina afakomaly, tao Fieferamanga Arivonimamo. Nasongadiny fa ankohonana miarina io, dia tanjona apetraka ao anatin’ny fe-potoam-piasana faharoa, izay fanombohany tetikasa voalohany hanampiana ireo fianakaviana sahirana sy marefo, indrindra.ny zaza amam-behivavy.
« Fa amin’ity fe-potoam-piasana faharoa fanombohany voalohany amin’ny asa hataontsika izao, dia tonga eto aminareo aho. Satria ny tetikasa izay hapetrantsika eto tetikasa hanova ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra indrindra ny Malagasy te hanarina ny fiainan’ny, izay nanaovantsika hoe ankohonana miarina », hoy ny Filoha Andry Rajoelina afakomaly, tao Fieferamanga Arivonimamo. Nasongadiny fa ankohonana miarina io, dia tanjona apetraka ao anatin’ny fe-potoam-piasana faharoa, izay
fanombohany tetikasa voalohany izao, hahafaha-mampihena ny fahantrana. « Tsy maintsy ataontsika izay hampihena ny fahantrana. Ahoana no hahafahan’ny fianakaviana iray mamelon-tena ? Ao anatin’ny ankohonana miarina dia manova ny fiainan’olona. Olona izay hataontsika hoe mpanasa lamba dia ampianarintsika fiainana vaovao izy, mba hahafahan’izy ireny mahomby », hoy izy. Ny dôkera mibata entana, ohatra, hofanina koa mba hanana asa hafa hoe mandrafitra satria ny harena voalohantsika dia ny tany sy ny olombelona, ka ny hahafaha-mampiova an’i Madagasikara dia ny afaha-mampiasa ny tany sy mampiasa ny olombelona koa. Raha ny fanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina hattany dia ity ankohonana miarina ity, dia fanaovana tranom-pianakaviana. Ireo fianakaviana ireo dia omena fiofanana amin’ny fambolena, ny fitantanam-bola… Ny ankohonana miarina dia ametraka trano, izay efa manomboka. Tany eo amin’ny 600m2 eo amin’ny 39m amin’ny 16 na 15 m eo, dia hahafahan’ny fianakaviana iray mivelona. Misy koa ny fanomezana fiompiana amin’ny biby fiompy, ka eo amin’ity toerana Fieferamanga ao amin’ny Distrikan’i Arivonimamo, no hanaovana izany voalohany .
Ny maro anisa no tsinjovina…
Nahitsy ny Filoha Andry Rajoelina nilaza fa tsy atao Tsimahabeomby, fa ovaina ilay anaran’ny tanàna satria ilay Tsimahabeomby tsy mety lehibe ilay omby fa hovaina hoe Miary io tanàna vaovao io. Efa 400 ha, izay goavana be, 67 ha tanàna iray manontolo, tanàna efa ho avo inefatra heny na dimy izany io toerana ao amin’ny izay omena anarana hoe « Miary », satria ny tetikasa dia hoe Ankohonana Miarina. « Nanamarika ahy manokana dia ny vahoaka malagasy, izay vahoaka mazoto, mavitrika, fa mila hoentina amin’ny lalana tokony hizorany ary manana olona manana vina ianareo izao, Filoham-pirenena tia tanindraazana mitondra ny vahoaka hiala amin’ny fahantrana ary hiavotra amin’ny fiainana », hoy izy. Hanampy tantsaha, hanampy ny vehivavy, ny fikambanam-behivavy, tanora tsy an’asa. Anisan’ny vaindohan-draharaha ny fitsinjovana manokana ireo Zokiolona. Hanao ny ezaka rehetra ny Filoha fa tsy maintsy ho avotra ity Madagasikara ity. Tsy maintsy mandroso isika rehetra rehetra, hoy izy, rehefa miara-mirona miara-mandroso ao anatin’ny firaisan-kina.
Ny tokantrano rehetra rehetra dia hozaraina sy omena fahazavana « kits solaire » avy izay tokantrano tokony hisitraka izany. Tetikasa roa no anisany tena tsy maintsy miraikitra ao am-pon’ny Filoha. Voalohany fanomezana ny tany ny Malagasy tsirairay avy, na ankohonana Miarina io na ao anatin’ny tetikasa fanomezana kara-tany. Ny faharoa, dia itondrana hazavana isa-tokantrano. Tsy misy zava-mahafinaritra ohatra izany hoe mitondra hazavana ao anatin’ny tokantrano iray izany, Hadino foana ianareo hatramin’izay fa ilay 25% izay mampiasa Jirama, ireny ihany no voajery hatramin’izay. Ireny ihany no nampian’ny Fanjakana. Manomboka izao, ilay 75% no hojerevan’ny Filoha, akaiky.
Rado Harivelo



