Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANAFIHANA NAHAFATESANA BEN’NY TANANA :  Miaramila dimy sy sefo fokontany roa ary olona roa hafa hiakatra Fampanoavana anio

Taorian’ny fanafihana niseho tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomiely, ao amin’ny distrikan’Ankazobe ka nahafatesana ny ben’ny Tanànan’Andranomiely, ny alin’ny 7 hifoha 8 janoary lasa teo. Sivy ireo olona voarohirohy ka dimy miaramila, roa sefo fokontany ary roa vehivavy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra Fampanoavana anio, ao Ankazobe izy ireo. Andrasana ny tohiny raharaha…

Nandritra ny fanafihana niseho tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomiely, ao amin’ny distrikan’Ankazobe ka nahafatesana ny Ben’ny Tanànan’Andranomiely, ny alin’ny 7 hifoha 8 janoary lasa teo. Dia nisy miaramila avy amin’ny Tafika  nanao fampandrian-tany miisa telo teo an-tanàna, izay natory tao amin’ny tranon’ny zanaky ny Ben’ny tanàna ny roa ary tany amin’ny trano hafa teo akaky, saingy tsy nanao na inona na inona. Voalazan’ny tompon-trano fa ny iray tamin’ireo natory tao aminy dia nahita tsara ny dahalo namaky ny varavaran’ny tranon’ny Rainy ary tokony ho afaka nitifitra, saingy nitazam-potsiny ka nahatezitra sy nahatonga ny ahiahin’ny fianakaviana sy ny olona teo an-tanàna ho misy firaisana tsikomakomba. Nisy koa miaramila roa naman’izy ireo tamin’ireo mpampandry tany tao amin’ny fokontany roa hafa ao anatin’ny kaominina Andranomiely, izay voatonona ho nanao fakam-bola tsy ara-dalàna miaraka amin’ny sefom-pokontany tamin’ny olona, lazain’izy ireo fa olon-dratsy. Nisy nitaraina tamin’ny Ben’ny tanànan’Andranomiely ny sasany tamin’ireo niharan’izany talohan’ny nahafatesany. Nampiantso ireo sefom-pokontany ireo ny ben’ny tanàna ary nilaza ho tsy hanaiky izany hatramin’ny farany na hamoizany ny ainy aza. Heverin’ireo fa mety ho valifaty vokatr’izany koa ny fanafihana sy famonoana azy. Ny miaramila mpitarika ireo mpampandry tany voalaza ireo dia voatonona ho nanao fanentanana namory fokonolona tamin’ny iray, tamin’ny fokontany roa voalaza.  Mamo izy ka nilaza fa ny fanilikilihan’ny Ben’ny tanàna ny miaramila no nahafaty azy ary nilaza ampahibemaso fa izy no nitifitra ny ben’ny Tanàna.

Hita tamin’ny fitsirihana finday…

Nanaovana fitsirihana ny findain’ny dahalo voatifitra, izay latsaka teo an-tanàna ary misoratra amin’ny vehivavy iray avy any amin’ny kaominina Andriamena distrikan’i Tsaratanàna. Voasambotra io vehivavy io ary nilaza fa nividy izany ho an’ny vehivavy mpiray tanàna hafa tsy manana karapanondro fa tsy nampiasa. Nosamborina  koa ity farany. Olona sivy no ahiahina ho misy firaisana tsikombakomba amin’io asa ratsy io ka nanaovana famotorana ary hatolotra ny fitsarana ao Ankazobe anio talata 23 janoary 2024, raha tsy misy ny fiovana farany. Ny dimy amin’ireo miaramila, ny roa sefom-pokontany, miampy ireo vehivavy roa voalaza tamin’ilay resaka finday. Marihina fa tamin’ny fanadihadiana natao,  mbola fantatra hatrany fa anisan’ny mpitarika ireo dahalo, ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Lemizana na Rabevolamena, naman’i larisy, tamin’ny fanafihana nandorana trano sy nahafaty olona 32 tao Ambohitriniandriana Ambolotarakely, tamin’ny 29 jolay 2022. Mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanaovana hazalambo ireo jiolahy.

Raha tsiahivina, ny alin’ny 07 hifoha 08 janoary 2024. tokony ho tamin’ny 10 ora nitrangana fanafihana tao Andranomiely Atsimo, renivohitry ny kaominina Andranomiely, distrikan’ Ankazobe. Dahalo tokony ho eo amin’ny 40 lahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny Basy Kalachnikov, MAS 36. « pistolet automatique », basim-borona, famaky sy antsibe no nanafika ny tanàna. Nizarazara nanampim-baravarana ny biraon’ny zandary sy ireo toerana heveriny ho misy mpitandro  filaminana ary samy nanao tifitra variraraka. Vokany, voatifitra teo amin’ny kibony ary voakapa famaky tao amin’ny lamosiny ny ben’ny tanànan’Andranomiely, Rambola Roger nandritra ny fidirana an-keriny tao an-tranony.

Pierre M.

Fermer