PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FAMBOLEN-KAZO 2023-2024: Zanakazo miisa 300 tapitrisa no kendrena hovolena
Rahampitso zoma no hanombohana ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023-2024 raha toa ka efa maro ireo fikambanana sy orinasa niroso tamin’izany hatramin’ny nidirantsika tato anatin’ny vanim-potoan’ny orana. Tanjona hapetraka ny hahavita fambolen-kazo amin’ny velarana 75 000Ha manerana ny Nosy ka zanakazo miisa 300 000 000 no kasaina hovolena amin’izany…
Mitohy ny vina fanamaitsoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo. Laminasa vaovao hapetraky ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ny fanaovana fambolen-kazo manakaiky kokoa ny vahoaka sy mamaly ny filàn’ny mponina eny ifotony, araka ny fanazavana noentin’i Razafindrabe Rinah izay tale jeneralin’ny haitondra ara-tontolo iainana eo anivon’ny MEDD. Noho izany indrindra dia zava-baovao imasoana amin’ity taom-pambolen-kazo 2023-2024 ity ny fanaovana fambolen-kazo manakaiky sy anaty tanàna. Tsy voatery ankalamanjana ihany no afaka hanaovana fambolen-kazo, hoy ny fanazavana, fa afaka atao eny an-tanàna ihany koa izany mba hitondrana fanatsarana, sy mandray anjara amin’ny fametrahana tanàna madio sy lovain-jafy. Noho izany indrindra no antonin’ny safidin’ny toerana hanatanterana ofisialy ny fanombohan’ny taom-pambolen-kazo 2023-2024 ho eny amin’ny tanàna vaovao TanaMasoandro-Imerintsiatosika. “Ary izany indrindra no hanentanana ny olona hamboly hazo eny amin’ny toerana izay hananany sy amin’ny fotoana mety aminy”, hoy hatrany ny fanentanan’ny tompon’andraikitra. Ho fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka zanakazo ho volena dia afaka misitraka izany eny amin’ireo tanin-janakazo lehibe manerana ny Faritra 23 izy ireo. Na ihany koa eny amin’ireo tanin-janakazon’ny kaominina sy ny vondron’olona eny ifotony. Mandritra ity taom-pambolen-kazo vaovao ity, araka izany, zanakazo manodidina ny 300 000 000 no kasaina ho volena manerana ny Nosy. Fambolen-kazo atao amin’ny velarana mirefy 75 000Ha an-tanety sy amin’ny faritra mando fanaovana fambolena ala honko. Marihana fa ny fambolen-kazo atao amin’ny 40 000Ha amin’io velarana io dia tsy maintsy havadika ho vokatra azo tsapain-tanana, araka ny vinan’ny fambolen-kazo nofaritan’ny Filoha Andry Rajoelina.
FEPETRA FISITRAHANA ZANAKAZO
Azon’ny olom-pirenenana, vondron’olona na fikambanana atao, araka izany, ny misitraka zanakazo ho volena eny amin’ireo tanin-janakazo lehibe na ihany koa eny tanin-janakazo iraisana. Ho an’ny eny amin’ny tanin-janakazo midadasika kosa anefa dia misy ny fepetra apetraka amin’ireo olona maniry ny haka zanakazo ireo, raha ny fanazavana noentin’ny tompon’andraikitra omaly. Voalohany amin’ireo fepetra ireo ny tsy maintsy hanaovana fangatahana fisitrahana zanakazo atao any amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana misy ilay olona. Ao anatin’izany fangatahana izany no misy ny fanomezana antoka fiarovana ny zanakazo angatahana ho volena. “Izany hoe ny hazo nomena anao dia mila tonga lehibe fa tsy hoe maty teny antenantenany akory”, hoy ny tompon’andraikitra. Ankoatra io, isan’ireo fepetra apetraka ihany koa ny fitsirihana ny toerana hambolena ireo zanakazo. Fitsirihana raha toa ka mifanaraka tokoa amin’ilay fenitry ny fambolena ny toerana hanaovana izany: tany efa vonona, efa voaasa sy efa misy lavaka, tany tsy misy olana ka afaka hiarovana sy hanabe ireo zanakazo novolena.
Fanomanana amam-bolana mialoha
Miisa roa ny fepetra ahafahana mamaritra ny toeram-pambolen-kazo iray ho tanin-janakazo lehibe sy midadasika, araka ny fanazavan’i Lovanirina Vololoniaina, talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy eto Analamanga. Voalohany amin’izany ny fijerena ny hatsaran’ny zanakazo. Izany hoe tokony hanaraka tsara ny fenitra ireo zanakazo ireo izay vao azo zaraina amin’ireo mpisitraka. Fepetra faharoa kosa ny famaritana ny habetsaky ny zanakazo tokony hananan’ny tanin-janakazo iray. Izany hoe tokony hahatratra iray tapitrisa farafahakeliny ny zanakazo vokarina eny amin’ireo tanin-janakazo midadasika ireo. Ho an’Analamanga, noho izany, dia miisa iray tapitrisa ny zanakazo hita ao amin’ny tanin-janakazo lehiben’ny Faritra. Mba hanamora kokoa ny filàn’ny mponina dia nametrahana toerana mamokatra zanakazo ihany koa isaky ny Distrika. Misy koa ny fiaraha-miasa amin’ireo kaominina maro mahakasika io famokarana zanakazo io.
Mialoha ny hisitrahana zanakazo anefa, tsy maintsy misy ny fanomanana tsy maintsy tanterahana eny amin’ireny tanin-janakazo lehibe sy midadasika ireny. “Amam-bolana mialoha no efa nanomanana ny taom-pambolen-kazo satria zava-dehibe ny fikoloana atao amin’ireo zanakazo ireo”, hoy ny talem-paritra. Ao anatin’izay fikoloina izay dia misy ny tetiandro arahina ka asa tanterahana ny famafazana voa, ny famindrana ny zanakazo, fametahana anaty pôm-boninkazo, sy ny fanaraha-maso rehetra hafa. Ankoatra ireo, nambaran’ny teknisianina ihany koa fa zava-dehibe ao anatin’ny famokarana zanakazo ny fifehezana ny rano. Ny fampiasana rano avy amin’ny lava-drano, hoy izy, no tena mahasoa ny zanakazo mitaha amin’ny rano avy amin’ny paompy.
Ho an’ny Faritra Analamanga manokana moa, tsikaritr’ireo tompon’andraikitra fa tsy mitsaha-mitombo ireo velaran-tany vita fambolen-kazo. Maharisika ihany koa ny olom-pirenena, orinasa sy fikambanana miroso amin’izay fanaovana fambolen-kazo, famokarana ary fanaraha-maso ny zanakazo novolena izay. Tamin’ny taom-pambolen-kazo farany teo, ohatra, dia nahatratra 80% ny taham-pahombiazana ho an’Analamanga. Nanampy tamin’ny fahazoana io vokatra tsara io ny tsy fisiana na ny fahavitsian’ny doro-tanety. Teo ihany koa ny fametrahana voalohany tamin’iny taona 2023 iny ny fotoana ahafahana manao ny fanaraha-maso sy ny fikojana ireo zanakazo novolena, isaky ny volana aprily.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




